- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsidi-bilaogy Aziatika atsimo

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Bhutan, India, Nepal, Pakistana, Sri Lanka, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2005)

Topi-maso vetivety momba ireo bilaogy sasany ao azia atsimo

Bangladesh:

- Tazzy manoratra [1] fizarana maromaro momba ny mariazy amboarina mahazatra ao Azia Atsimo. Aza miala raha te-hanaraka ny tohin'ny tantara.

- ‘Allah hafiz’ na ‘Khuda hafiz’- Asif miresaka [2] ireo fehezan-teny Indo-Islamika mampiadi-hevitra amin'ny hoe “veloma” ampiasaina ao Bangladesh.

- Ishtiaque manoratra [3] andiana lahatsoratra momba ny diany vao haingana tao Cox's Bazaar, morontsiraka natioraly lava indrindra manerantany.

- Robin namoaka [4] sary sokitra fiara tokana ao Dhaka, izay vita amin'ny rojom-bisikileta, kojakojan'ny fiara sy vy hafa.

Bhutan:

- Natsahatry ny [5] mpandraharaha an-tariby Bhotaney ny fandefasana ireo fantsom-baovao sy fialam-boly Indiana sasany, izay voampanga ho manohintohina ny soatoavina ara-kolontsaina Bhotaney, ankoatra ny fanelingelenana ny mpianatra amin'ny fianarany.

- Preetam Rai mandefa [6] fanomezam-boninahitra ho an'ny Andron'ny Fahaleovantena ao India.

- Manish of ‘Sepia Mutiny’ mitatitra [7] fa manana hanitra Desi ny rakibolana vaovao Oxford amin'ny teny Anglisy.

- ‘Na dia ireo Andriamanitra Indiana aza dia sahanina avy ao Shina’ – araka ny fahitan'ny [8] Amit ao amin'ny ‘India Uncut’.

- Kozhikode [9] no tanàna voalohany tsy misy famanizana an-dalambe ao India – tao amin'ny ‘The scientific Indian’.

- Nitin ao amin'ny ‘The Acorn’ maminavina [10] ny anaran'ny balafomanga Pakistaney manaraka.

Nepal:

- Dinesh Wagle ao amin'ny ‘United We Blog’ manadihady [11] ireo mpifaninana amin'ny Miss Nepal 2005 ary manontany ny nofinofin'izy ireo.

- Vishnu miresaka [12] momba ireo vondrona tohanan'ny fitondrana Nepaley, izay araka ny heviny, hanaratsy ny toe-draharaha efa mihoso-drà ao Nepal.

Pakistan:

- KO miangavy [13] amin'ny Fanjakana Mitambatra (UK) mba hampody ilay mpampihorohoro atao haza lambo ao Pakistan, Altaf Hussain, izay nomen'ny UK fialokalofana.

- Pakistani Perspective mampifandray [14] amin'ny lahatsoratra milaza fa mandray ny efatra isanjaton'ny harin-karena anatiny ao amin'ny firenena ny miaramila ao Pakistan ary ny Jeneralin'ny tafika dia mitentina Rs 300 tapitrisa.

- The Glass House mitsikera mafy  [15]ny fampanantenan'ny filoha Pakistaney ny Jen. Musharrof, izay mbola tsy tontosa.

Sri Lanka:

-Misaona ny fahafatesan'Atoa L. Kadirgamar, minisitry ny raharaham-bahiny ao Sri Lanka novonoin'ireo lazaina fa LTTE mpampihorohoro ny tontolon'ny bilaogy [16]Sri Lankey. Nanoratra [17] i Prabhath fa “nampanginina ny feo hendry indrindra ao Sri Lanka izay manohitra tsy amin-tahotra ny fampihorohoroana.” Miahiahy [18] i Selvarajah fa noho ny fanambarana vonjy taitra, afaka manorisory ny Tamils ​​amin'ny fisamborana azy ho ahiahiana ny manampahefana. Mivavaka [19] i Mahangu mba tsy hidika ady hafa izany.