Manao fandraketam-peo azon'ny rehetra henoina

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2004 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Miarahaba anareo rehetra … Vao avy namoaka ny rakipeo notontosaiko voalohany aho. Ny lohahevitr'ity rakipeo maharitra dimy minitra ity dia ny fitomboan'ny fanatontosana rakipeo sy ny olana atrehin'ireo olona sahirana amin'ny fihainoana. Mino aho fa io no voalohany amin'ny andiana rakipeo avy aty amiko momba ny olana samihafa mifandraika amin'ny aterineto, ny fampitam-baovao ary ny hantsana nomerika, ankoatra ireo lohahevitra hafa.

Raha tsara ny fifandraisanao amin'ny Aterineto dia afaka mitroka ilay rakipeo; maherin'ny dimy megabytes izy io. Raha tsy izany dia azo jerena ao amin'ny bilaogiko ny fandikana an-tsoratra ilay rakipeo  .

Ho an'ireo izay te hisoratra anarana ao amin'ny rakipeoko manaraka amin'ny fampiasana ny rindrambaiko toy ny iPodderX, miangavy anao mba ampiasa ny famahanana RSS ao amin'ny bilaogiko .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.