Mumbai sy ny horohoro: Ny ampitso

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana novambra 2008)

Nanaitra ny firenena iray manontolo ny fanafihana tamin'ity halehibeny ity. Raha tsy vahiny amin'ny fipoahana baomba sy fanafihan'ny mpampihorohoro i India, dia tsy nampoizina ny toe-javatra momba ny takalon'aina naharitra ela be tao amin'ny toerana malaza iray. Ny fanodinana ny zotra-piaramanidina tamin'ny taona 1999 no takalon'aina farany notantaraina betsaka.

Ao amin'ny Mumbai Metblogs, mamelatra ny zava-nitranga nandritra ny andro iray sy mihoatra i ideasmith.

Later this morning, there was a sudden buzz that a fresh round of firing had opened at C.S.T. station and that hostages had been taken. This turned out to be a false rumour. Apparantly someone had heard some noise that sounded to them like gunfire and panicked.

Just ten minutes back, I heard what sounded like a blast. I jumped but I ignored it. Two minutes later it was followed by another one. I looked up to see if anyone else had heard it. Apparantly no one else had. I was just debating whether to go back to my desk (in one corner of the office so I could have been the only one to hear it, being closest) or tell someone (and risk starting another panic wave). Upstairs someone else had heard it too and called us to check it out. We raced to the terrace, hearts thundering. It turned out to be nothing more than the daily workers going about their deed at the construction site next door. Whhhewwwww.

Efa ho atoandro, nisy tabataba tampoka toa naneho fa misy ny andiana tifitifitra vaovao tao amin'ny toby C.S.T. ary nalaina ireo takalon'aina. Saingy toa tsy marina izany. Raha ny marina, dia nisy olona naheno feo toa tifitra basy ary raiki-tahotra izy.

Folo minitra monja, dia naheno feo tahaka ny fipoahana aho. Nitsambikina aho saingy tsy niraharaha izany. Roa minitra taty aoriana dia nisy iray hafa indray. Nitraka aho mba hijery raha nisy nandre izany. Saingy tsy nisy nahita izany. Niady hevitra fotsiny aho raha tokony hiverina any amin'ny biraoko (ao amin'ny zoro iray amin'ireo birao ka izaho irery no afaka mandre izany) na milaza amin'ny olona (ary mety hiteraka tahotra hafa). Nisy olon-kafa koa nandre izany tany ambony ary niantso anay mba hijery izany. Nihazakazaka tany amin'ny terasy izahay, midobodoboka ny fo. Kanefa tsy inona fa ireo mpiasa isan'andro miasa ao amin'ny toerana fanorenana eo akaiky. Whhhewwwww.

Ao amin'ny Twitter, manome fanampim-baovao tsy tapaka i prempanicker. Raha ny heviny, dia maneho ny haavon'ny fikorontanana izany. Isaky ny adiny roa, misy ny karazana fanambaràna fa voafehy ny zava-drehetra, saingy avy eo, nisy ny tatitra momba ny fanafihana mitam-piadiana sy  fipoahana maro.

Prem Twitter

code clicks n caffeine namoaka sary momba ireo roa andro farany – nalain'ny olona maro sy avy amin'ny loharano samihafa. John P Matthew nibilaogy mivantana momba ny zava-nitranga tany Mumbai, miaraka amin'ny fandinihana ny fihetseham-pon'ny olona sy ny fitantaran'ny haino aman-jery.

At the office where I am there are excited voices, raised in concern, about attacks at VT station through which I have to pass. Somebody says that in the lane downstairs terrorists were firing indiscriminately. There's panic in the building and a colleague is spreading more terror with his uncontrolled blurting of what little he knows. He gets too excited unnecessarily.

Tao amin'ny birao misy ahy, misy feo mientanentana, miteraka ahihahy, momba ny fanafihana tao amin'ny toby VT izay tsy maintsy handalovako. Misy olona milaza fa ao amin'ny lalana ao ambany, mitifitra tsy ankanavaka ireo mpampihorohoro. Misy ny fisavorovoroana ao anatin'ilay trano ary vao mainka mampihorohoro ny mpiara-miasa iray noho ny tabatabany tsy voafehy amin'izay zavatra kely fantany. Mientanentana be loatra izy.

 

Kunal ao amin'ny Live's Short Live it Up mibilaogy mivantana tsy tapaka ihany koa -

# GPS Satellite phones found on terrorists. Another phone with foreign SIM card found near Taj hotel
# Terrorists hijacked fishing boards
# All Terrorists in Taj hotel have been Eliminated! [23:25]
# NSG sources say one injured terrorist still holed up at Taj hotel
# More hostages rescued from Nariman House. 15-17 people are out of Nariman house now
# 25 blasts at Taj hotel in last 24 hours
# Fresh round of firing from Taj hotel’s far end

# Finday zanabolana GPS hita teny amin'ireo mpampihorohoro. Finday hafa ahitana karatra SIM vahiny hita teo akaikin'ny hotely Taj
# Nalain'ireo mpampihorohoro ny hazo fanjonoana
# Maty avokoa ireo mpampihorohoro rehetra tao amin'ny Taj hotel! [23:25]
# Milaza ny loharanom-baovao NSG fa mpampihorohoro iray naratra no mbola tafahitsoka ao amin'ny Taj hotel
# Takalon'aina maro no voavonjy tao amin'ny Nariman House. Olona 15-17 no nivoaka ny trano Nariman amin'izao fotoana izao
# Fipoahana 25 tao amin'ny hotely Taj tao anatin'ny 24 ora
# Andiana tifitifitra vaovao ao amin'ny Taj hotel.

Miharihary fa toa manjaka tanteraka ny fisavorovoroana, ary tsy dia mazava loatra ny toerana mikasika ireo mpampihorohoro sy ny takalon'aina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.