- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ghana: Ny tetikasa fandidiana hoditra

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanamarika tetikasa iray antsoina hoe “Ny Tetikasa Fandidiana Hoditra ao Ghana [1] ” ny My Hearts in Accra. “Ny foibe ao Korle-Bu no foibe voalohany fandidiana hoditra sy famerenana amin'ny laoniny indray ny hoditra any Afrika Andrefana ary manampy ny fampiofanana ny dokotera manerana ny faritra amin'ny fanaovana fandidiana tena ilaina. Nanangom-bola ho an'ny foibe tamin'ny fivarotana kalandrie tsara tarehy izay misy ny sarin'i Ghana ny mpianatra NYU – raha manana 20$ ianao ary misy toerana izay mety homena ny loko Afrikana dia hevero ny manampy azy ireo. “