Mandefa Antso Ho An'ireo Tolotra Fanampiana Ara-Bola Madinika ny Rising Voices Mba Hivelaran'ny Haino Aman-jerin'Olontsotra

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2008)

risingvoices1.jpgManaiky fangatahana tetikasa ho an'ny fanohanana ara-bola tonga hatramin'ny 5.000$ ho an'ny tetikasa fampivelarana ny haino aman-jery vaovao ny Rising Voices, sampana fampiroboroboana ao amin'ny Global Voices. Ireo kandidà idealy dia hanome tolotra mitondra zavabaovao ary amin'ny antsipirihany mba hampianarana ireo teknikan'ny haino aman-jerin'olontsotra any amin'ireo vondrompiarahamonina ratsy toerana, mba hahitàny sy hitrandrahany ireo fitaovana toy ny fanoratana bilaogy, fanaovana bilaogin-dahatsary, ary ny podcasting (fandefasana rakipeo) avy amin'ny herin'ny tenany manokana.

Satria mihamalalaka kokoa ho an'ny olona maro ny aterineto, ao anatin'izany ny mpampiasa finday, dia toa miha mihena ilay antsoina hoe fivakisana niomerika. Mahatsikaritra elanelana fandraisana anjara anefa isika eo amin'ny toerany, izay amokarana ny ankamaroan'ireo blaogy, podcast sy lahatsary an-tambajotra rehetra any amin'ny manodidina ireo tanana anaty sokajy antonony.

Hanampy hitondra feo vaovao avy amin'ireo vondrompiarahamonina vaovao no kendren’ ny Rising Voices, ary ny hiteny amin'ny fiteny vaovao eo amin'ny Aterineto fifampiresahana, amin'ny fanomezana fitaovana sy famatsiambola ho an'ireo vondrona eny an-toerana izay manome tanana an'ireo vondrompiarahamonina tsy dia voasongadina loatra any amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana. Mba tsidiho ny lisitray amin'izao fotoana izao misy ireo mpahazo tombontsoa avy amin'ireo ohatrana tetikasa ireo.

Ny lanitra irery ihany no fetra, fa indrisy, tsy izany ny famatsiambola. Avy any amin'ny 2.000 mankany amin'ny 5.000 $ ny famatsiambola azon'ny Rising Voices. Mba mandiniha, miavaha, ary mifantoha tsara amin'ny zava-misy arak'izay farany vitanao tompoko rehefa mandrafitra  ny tetbola ilainao ianao.

Hasongadina tsara ao amin'ny Global Voices ireo tetikasa mahomby. Tokony hanao atrikasa matetika ireo mpahazo tombontsoa amin'izany mba hanofanana ireo mpandray anjara amin'ny fomba famoronana sy ny fitazonana tranonkala, fampakarana sy fizaràna sary niomerika, ary koa amin'ny famokarana ireo lahatsary fototra. Angatahana mba hamoaka matetika ny  fanombanana tetikasa sy fanavaozana ao amin'ny tranonkalan'ny Rising Voices ihany koa ireo mpahazo tombontsoa ireo.

Ny Alahady 18 Janoary no farany fandraisana ireo fangatahana feno tsara. Mba apetraho tsara ao amin'ny pejy fangatahana ao amin'ny Rising Voices ny fangatahanao feno azafady.

Aza misalasala manontany ao amin'ny sokajy ‘fanehoankevitra’ etsy ambany na mandefa mailaka  amin'ny outreach@globalvoicesonline.org.

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2008)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.