- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary avy ao India: Fiantsonana ao Churchgate, Mumbai

Sokajy: Azia Atsimo, India, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Churchgate Station Bombay [1]Sary nalain'i Jackson Lee [2]. Nalaina tao anatin'ny Fiantsonana ao Churchgate, ao Bombay [3] (Mumbai) ity sary ity. Toerana fanombohan'ny Zotran-dàlamby Andrefana ao amin'ny Zotran-dàlambin'ny Tanàna Itatr'i Mumbai [4] izy io, ary maresaka noho ny fivezivezen'ireo mpiasa hamonjy ny toerampiasany any amin'ny faritra atsimon'ny tanànan'i Bombay. Manampy izany ny vahoaka ho any amin'ny anjerimanontolo, ireo mpizahatany ary ireo mpandeha tsindraindray. Tarafin'ireo fiantsonan'ny fitanterana an-dàlamby tsara ny hazakazaky ny tanàna. Mitondra olona maherin'ny 6 tapitrisa isanandro ny Rafitra Fitanterana An-dàlamby ao Mumbai.