- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary avy ao India: Seho Rock Tsy Niseho

Sokajy: Azia Atsimo, India, Mediam-bahoaka
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2005)
Mumbai Rock Show [1]

Sary nalain'i Soumik [2]

Tsy tanteraka ny Seho Rock ho an'ny Fahaleovantenan'i Mumbai [3] tamin'ity taona ity noho ireo mpitandro filaminana ao an-toerana. Nofoanana tamin'ny fotoana farany izany. Manana lahatsoratra miaraka aminà taratasy mivelatra nosoratan'i Farhad Wadia ho an'ireo mpankafy [4] ny Lazygeek. Milaza i Soumik [2] fa:

Nofoanana tamin'ny fotoana farany ny Rock ho an'ny Fahaleovantena (fetiben'ny Rock fanao isan-taona ao Mumbai) ny Sabotsy 03 Septambra satria tsy nanome ny alàlana ilaina teo an-toerana amin'ny tsy famelàna ireo seho mampidi-bola eo alohan'ny Vavahady Tokana ny mpitandro filaminana ao Mumbai. Nizotra ho hariva makotroka ny fankalazana ilay faha-20 Taonan'ny I-Rock rehefa tonga tampoka ilay fanambaràna, izay azo antoka fa nandiso fanantenana ireo mpankafy 4000 tonga avy any amin'ny lafivalon'ny tanàna.

Toa mampihomehy manokana ity sary ity noho ilay dokambarotra ao aorian'ilay fanambaràna ny fanafoanana izay mandrisika antsika haneho hevitra!