- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Fiteny anaty Bilaogy

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2005)

Inona ary no mitranga ao anatin'ny Tontolon'ny Bilaogy Pakistaney? Be dia be tokoa, saingy mamelà fotsiny ahy hampahafantatra ny sasany amin'izy ireo amin'ny rehetra.

Atomboko amin'ny fampiroboroako tsy miafina ny tenako, maneho hevitra amin'ny fametraham-pialàna andrasana amin'i Mike Brown (FEMA) [1](rohy maty) ny olive ream; mamoaka hevitra sy lesona lalina avy amin'ilay Tafiotra mahery Katrina [2] ny Republic of Tea, mitaraina noho ny fahasimban'ny teny Anglisy [3] (rohy maty) ny Suspect Paki; manazava ny akon'i John Bolton ao amin'ny Firenena Mikambana [4] (rohy maty) ny Fountainhead;  mankasitraka an'i G. W. Bush tamin'ny fanekeny ny andraikiny noho ny tsy fahaiza-mitantana ny [5]loza tao Nouvelle-Orléans ny Teeth Maestro; ary mitatatata momba ny talentan'i Dan Brown amin'ny fanoratana [6] ny Politically Incorrect.

Ho avy amin'ny herinandro manaraka ny maro hafa… aza miala.