Pakistana: Fiteny anaty Bilaogy

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2005)

Inona ary no mitranga ao anatin'ny Tontolon'ny Bilaogy Pakistaney? Be dia be tokoa, saingy mamelà fotsiny ahy hampahafantatra ny sasany amin'izy ireo amin'ny rehetra.

Atomboko amin'ny fampiroboroako tsy miafina ny tenako, maneho hevitra amin'ny fametraham-pialàna andrasana amin'i Mike Brown (FEMA)(rohy maty) ny olive ream; mamoaka hevitra sy lesona lalina avy amin'ilay Tafiotra mahery Katrina ny Republic of Tea, mitaraina noho ny fahasimban'ny teny Anglisy (rohy maty) ny Suspect Paki; manazava ny akon'i John Bolton ao amin'ny Firenena Mikambana (rohy maty) ny Fountainhead;  mankasitraka an'i G. W. Bush tamin'ny fanekeny ny andraikiny noho ny tsy fahaiza-mitantana ny loza tao Nouvelle-Orléans ny Teeth Maestro; ary mitatatata momba ny talentan'i Dan Brown amin'ny fanoratana ny Politically Incorrect.

Ho avy amin'ny herinandro manaraka ny maro hafa… aza miala.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.