- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Japoney (2005)

Sokajy: Japana, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2005)

Afaka manome tantara saika ara-potoana [1]momba ny horohorontany vao haingana tao avaratr'i Japana [2] ny bilaogera Japoney.

Hoy ny bilaogera Japoney iray:

The fridge door swung upon, the goldfish bowl fell off the shelf, and it was just a terrible situation inside the house…There have been a lot of earthquakes here in recent years, which makes me a little worried. And it shook for such a long time…

Nihozongozona ny varavarankelin'ny vata fampangatsiahana, nianjera ny baolina trondrogasy, ary zava-mahatsiravina tao an-trano izany… Nisy horohoron-tany maro teto anatin'izay taona vitsy izay, ka mahatonga ahy somary miahiahy. Ary nihozongozona nandritra ny fotoana lava be izany.

Mety hirotsaka ho kandidà [3] ho an'ny Antokon'ny fitondrana Liberaly Demokraty amin'ny fifidianana manaraka ao amin'ny Antenimiera, izay hotontosaina amin'ny 11 Septambra i Takafumi Horie, 32 taona, filohan'ny Livedoor [4], izay manome fitaovana fibilaogina malaza indrindra ao Japana. Nahazo diplaoma tao amin'ny Oniversiten'i Tokyo, mety hifanandrina amin'ilay olo-malaza Shizuka Kamei, olo-maventy teo aloha tao amin'ny LDP izay voaroaka vao haingana tao amin'ny antoko noho ny fanoherana ny fanavaozana momba ny paositra natolotry ny praiminisitra Junichiro Koizumi i Horie.

Ankoatra ny fanomezana lecteur DVD finday maimaim-poana [5] ho an'ireo bilaogera vaovao (hatramin'ny 30 septambra ihany, ary misy famerana sasany!), nikarakara fifaninanana isam-bolana ho an'ireo bilaogy japoney roapolo malaza be indrindra [6] ny Ameba Blog [7], manomboka 5000 yen (eo amin'ny 45 dolara Amerikana) hatramin'ny 100.000 yen (900 dolara) ny loka. Faritana arakaraka ny fitsidihana ny pejy ny lazan'ny bilaogy

Japan's Outrageous Asian Neighbours [8], nasongadina teo aloha tato amin'ny Global Voices [9], no nahazo ny 5000 yen teo amin'ny toerana faha-12. Bilaogy momba ny fiantsenana [10] sy ny olo-malaza [11] kosa no anisan'ireo nahazo 10.000 yen, raha nahazo 30.000 yen ny bilaogy natokana ho an'ny lalao flash sy lohahevitra hafa mahaliana [12].

Ny bilaogy voalohany ho an'ny volana Jolay dia nahazo 100.000 yen, ary ny lohateniny dia azo adika mifanakaiky hoe Trimobe ny vadiko [13]! Ny bilaogy, izay manasongadina sariitatra, dia manoratra ny fiainana feno fijaliana iainan'ny bilaogera miaraka amin'ny vadiny. Mampihomehy ny feo, ary nanelingelina ireo mpamakiny ny bilaogy satria nampifanarahana tamin'ny andian-tsarimiaina manga [14] sy ny fandaharana amin'ny fahitalavitra ao amin'ny Fuji TV [15], tambajotra mifandray akaiky amin'i Livedoor.

Matetika toa hita miara-miasa ny Livedoor sy ny Cyberagent [16], orinasa mifanakaiky amin'ny Ameblog.

Misy ihany koa ny drafitra hamadika ny “Trimobe ny vadiko”‘ho sarimihetsika atsy ho atsy.

Tsy ilaina ny miteny tsy niandry ela ny Ameba Books [17], trano fanontan'ny Ameblog, hamoaka boky roa ho an'ny “Trimobe ny vadiko” izay samy azo vidiana [18] ao amin'ny Amazon.