- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maneho Hevitra Momba Ny Star Wars Izao Tontolo Izao

Sokajy: Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Mrbrown [1](Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Mey 2005)

Mikaroka ireo lahatsoratra momba ny Star Wars nosoratan'ireo bilaogera maneran-tany aho amin'ny alàlan'ny tenifototra starwars+globalvoices [2] ao amin'ny del.icio.us. Raha mahita lahatsoratra hafa momba ny Star Wars avy amin'ireo bilaogy iraisam-pirenena ianao, mba mandraisa anjara anatin'ny lisitra amin'ny fametrahana MIARAKA ny tenifototra “starwars” sy “globalvoices” eo aminy.

Mibata ny loka ho an'ireo sary miavaka indrindra tamin'ny fijerena Star Wars [1] i Mr.Brown.

Jereo ilay resaka momba ny fitoviana misy eo amin'ny Star Wars sy ny zavamisy ao Iràka ao amin'ny Raed in the Middle [3].

Mahita fitovizana amin'i Shina ny Bingfeng teahouse [4].

Ity fanitarana ity [5] no tian'i Mack ao amin'ny BrandMalaysia kokoa.

Azonao jerena amin'ny alàlan'ny Mpanangom-baovao Bloglines an'ny Globalvoices [6] (rohy maty) ito sy ireo lahatsoratra maro hafa.