- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mangataka ny mangaraharaha manodidina ny fifanarahana momba ny jono niarahana tamin'i Shina ny olom-pirenena Malagasy

Sokajy: Afrika Mainty, Azia Atsinanana, Madagasikara, Shina, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana
[1]

Trozona milomano ao amin'ny morontsiraka avaratra-andrefan'i Madagasikara, avy amin'i Salvatore Cerchio et al. / Royal Society Open Science CC-BY-4.0 (http://rsos.royalsocietypublishing.org/content/2/10/150301.article-info)

Ny volana septambra 2018, nanambara i Hery Rajaonarimampianina, filoham-pirenena teto Madagasikara, fa tontosa ny fifanarahana momba ny jono maharitra 10 taona [2] nifanaovan'ny Sampan-draharaha Malagasy misahana ny Fampandrosoana ara-toekarena sy ny Fampiroboroboana ny orinasa tamin'ny vondron'Orinasa Shinoa Fampandrosoana ny Fampiasam-bola Taihe Century.

Araka ny loharanom-baovao eto Madagasikara, nifampiraharaha tsy naka hevitra [3] avy amin'ny fitantanana ao aminy, ny parlemanta na ny fiarahamonim-pirenena ny filoha. Tsy nampahafantarina momba ny fifanarahana ihany koa na ireo mpiara-miombon'antoka ho an'ny fampandrosoana lehibe eto Madagasikara, anisan'izany ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Vondrona Eoropeana.

Nilaza ny fanambarana an-gazety [4] avy amin'ny tranonkalan'ny filoha fa ny fifanarahana 10 taona dia noho ny fampanantenana fampiasam-bola hatramin'ny 2,7 miliara dolara Amerikana avy amin'ny orinasa Taihe  Tsy mazava tsara ny fomba hampiasana io vola io, na dia milaza aza fa hananganana fotodrafitrasa momba ny jono sy hanohanana ny fitantanana ny jono ny vola. Mankany amin'ny tetikasa fambolena volotara ihany koa ny ampahany amin'ny fampiasam-bola.

Ny setrin'izany dia ahafahan'ny vondron'orinasa Shinoa mametraka sambo miisa 330 any amin'ny morontsiraka iasan'ny mpanjono .

Ny biraon'ny filoha ihany no nanatontosa irery ny fifanarahana, ka miteraka ahiahy sy ny fahatezerana eo amin'ireo olom-pirenena Malagasy. Nanamafy ny Minisiteran'ny Fanjonoana fa tsy nandray anjara tamin'ny fifanarahana izy ireo [5]ary naneho ny ahiahiny mikasika ireo loza mety hitranga amin'ny fanararaotana tafahoatra ny loharanon-karena an-dranomasina ao amin'ny nosy.

Ao Madagasikara, loharano fidiram-bola sy fitaovana tena ilaina amin'ny fiveloman'ny mponina amoron-tsiraka ny sehatry ny jono. Ity fifanarahana momba ny jono ity dia mety hampidi-doza ny fiainana sy ny fahaveloman'ireo olom-pirenena Malagasy miisa 250.0000 [6].

Nanomboka fanangonan-tsonia ny olom-pirenena mba hangataka vaovao bebe kokoa momba ny fifanarahana sy hiantohana ny fiarovana ny loharanon-karena an-dranomasina Malagasy. Hatramin'ny 28 Oktobra, ,sonia maherin'ny 15.000 [7]no voangona. Nanangana saina mena ny  Madagascar Locally Managed Marine Area Network —MiHARI [8] ary nilaza tamin'ny tafatafa [9] ny filohan'ny MiHARI, Hermany Emoantra hoe:

The livelihoods of Madagascar’s coastal communities will be seriously threatened if they must compete with the potential catch capacity of these fishing boats. We mustn’t forget that with the arrival of just six industrial fishing boats in the Toliara region this year, some communities are already struggling to make ends meet. So, imagine what could happen with (the projected) 330 boats — how will these people live, where will they go?

Tena tandindonin-doza ny fiveloman'ny fiarahamonina amoron-dranomasina eto Madagasikara raha tsy maintsy mifaninana amin'ny mety hisian'ny sambo mpanjono izy ireo. Tsy tokony hohadinointsika fa amin'ny fahatongavan'ireo sambo enina momba ny jono indostrialy ao amin'ny faritr'i Toliara amin'ity taona ity, efa mitolona mafy mitady izay hohanina ny vondrom-piarahamonina sasantsasany. Noho izany, alaivo sary an-tsaina izay mety hitranga amin'ireo sambo 330 (kasaina ampidirina) – ahoana no hiainan'ireo olona ireo, aiza no handehanany?

[10]

Fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin'ny delegasiona Shinoa sy ny delegasiona Malagasy tao amin'ny pejin'ny tranonkalan'ny Minisiteran'ny Jono / Azon'ny rehetra ampiasaina.

Namoaka fanambarana ihany koa ny Transparency International Initiative—Madagasikara, manipika ny loza mety ateraky ny fanjavozavoan’ [11] ity fifanarahana ity:

[Cet accord] représente en réalité une menace sans précédent sur notre environnement marin déjà fragile. L’accord a été signé en présence de M. Hery Rajaonarimampianina, sans concertation aucune avec les acteurs concernés, en ignorant les probables répercussions négatives à long terme pour l’environnement et la population malagasy. L’opacité entourant les conditions d’attribution de ce contrat est particulièrement inquiétante. Aucune garantie n’est offerte sur les supposées retombées économiques importantes de ce projet d’investissement. La seule certitude à ce jour est qu’il doit démarrer dès cette année. Les gains potentiels avancés par l’AMDP sont par ailleurs sujets à caution dans la mesure où, à notre connaissance, aucune étude d’impact économique ou environnemental n’a été faite.

[Ity fifanarahana ity], raha ny marina, dia loza mitatao tsy mbola nisy toa izany eo amin'ny tontolo iaianana an-dranomasina efa marefo. Nosoniavina teo anatrehan'Atoa Hery Rajaonarimampianina, tsy misy fakàn-kevitra tamin'ireo mpiantsehatra voakasika ny fifanarahana, tsy miraharaha ny mety ho fiantraikany ratsy maharitra eo amin'ny tontolo iainana sy ny mponina malagasy. Mampiahiahy tanteraka ny fanjavozavoana mikasika ny fepetra fanomezana ny fifanarahana. Tsy nisy ny antoka nomena ho an'ireo lazaina fa tombontsoa ara-toekarena lehibe aterak'izany tetikasa fampiasam-bola izany. Ny hany tokana azo antoka dia hoe tsy maintsy manomboka amin'ity taona ity izany. Mampiahiahy ny tombontsoa mety ho azo, araka ny fahafantarantsika, dia tsy mba misy ny fikarohana momba ny fiantraikany ara-toekarena na ara-tontolo iainana.

Mitranga herinandro vitsy mialoha ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 7 Novambra  [12]ity adihevitra momba ny jono ity.