- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trinidad sy Tobago: Ny Fahasalaman'ny Praiminisitra

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Desambra 2008)

Ny Alakamisy 11 desambra, nampitolagaga ny firenena ny vaovao [1] mikasika ny Praiminisitr'i Trinidad sy Tobago [2], Patrick Manning [3], tamin'ny filazàna fa hitan'ireo mpitsabo azy fa misy fivontosana mampiahiahy ny iray amin'ireo voany. Nataony io filazana io nandritra ny famoriana mpanao gazety taorian'ny nilazàny ny vaovao tamin'ny kabinetrany. Io hariva io ihany, nandao an'i Trinidad mba ho any Kioba [4] i Manning, hiatrika fandidiana hanalàna ilay voa tsy salama izay heverina hatao herinandro taorian'io. Nolazainy fa fikasàny ny hiverina any Trinidad amin'ny fiandohan'ny volana janoary. Nitranga ny fanambaràna tamin'ny fotoana izay hiatrehan'ny governemanta Manning an'ireo tsikera marobe mikasika an’ireo fepetrany natao hiatrehana ny krizy ara-bola erantany [5]. Vao haingana, nampangaina ihany koa ny Praiminisitra noho ny fanelingelenana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety [6]. Ireo vokatry ny fanadihadiana [7] navoaka tamin'ny 7 desambra dia manamafy fa ny tahan'ny fankatoavana an'i Manning dia 17% ankehitriny.

Tena fahahagagàna, tao anatin'ny 24 ora taorian'ny nivoahan'ilay vaovao, vitsy ny fanehoankevitra ampahi-bemaso avy tamin'ireo blaogera Trinidadiana. Jumbie's Watch, izay manoratra matetika mikasika ny politika, no namaly [8] niaraka tamin'izay tsy afaka faritana afa-tsy amn'ny hoe maharavoravo:

Mety ho tetikady io mba hahazoana famindrampo ao anatin'ny fotoana izay maha-ambany ny lazan'ny governemanta… tsy vitako ny tsy hieritreritra hoe betsaka kokoa ny loza mitatao eo amin'ny fandidiana, fa tsara kokoa izany ho an'ny firenena. Raha maty eo an-databatry ny fandidiana izy, dia hanana tsirim-panantenana  handrosoana ny firenena…

Malina kokoa [9] i Coffeewallah. “Tsy hiresaka mihitsy ny olana voarara aho noho ny tahotra ny hanaovana tsinontsinona olona”, hoy izy nanoratra, mialohan'ny hiverenany amin'ny tsy fahampiana fahatokisa mikasika ny rafitra ara-pahasalamana ao Trinidad-Tobago. “Mazava ho azy, tsy izaho irery izany”, hoy ny fanambaràny, somary milaza ankolaka ny fanapahankevitr'i Manning hiatrika fandidiana any ivelany.

Nangiana androany ny Blaogy Miafina  mananihany an'i Patrick “Patos” Manning [10], izay maka tàhaka ny toetran'ny Praiminisitra,, saingy namoaka an'ireo vaovao farany teo amin'ny Twitter sy Facebook ilay blaogerany tsy mitonona anarana. “Nahoana no Kioba?” hoy i “Patrick Manning”. “Satria tsy hisy dokotera Kiobàna mety hanandrana hanolo ny voako ankiafinafina amina voan'ampondra.”

Twitter updates from anonymous

Namela fanamarihana manindrontsindrona ireo fanehoankevitra tao tamin'ny pejy Facebook an'ny blaogera Manning [11]. “Nahenany ny famatsiambola amin'ireo hopitaly eto, saingy METY AMINY izany toy ny fandehanany mankany Kioba”, hoy ny nosoratan'ny iray amin'izy ireo.

Na dia tena mangina tanteraka aza ireo karajia ho an'ny daholobe ao amin'ny tambajotra mikasika an'ireo vokatry ny toe-pahasalaman'i Manning, any ambadik'ireo varavarana mihidy ao amin'ny Facebook [12] kosa, mirehidrehitra ny adihevitra eny anivon'ireo Trinidadiana sy ireo Tobagoniana. Fanamarihana iray navoaka tamin'ny facebook omaly hariva, ohatra, no nitsikera ny valintenin'ireo mpanao gazety tamin'ny antsafa iray  nilazàn'ny Praiminisitra ny vaovao mikasika azy, manontany hoe nahoana no hadinon'izy ireo ny nametraka fanontaniana miditra lalindalina kokoa. Namaly ny mpanao gazety sangany iray Lennox Grant [13] (fitanisàna nahazoana alalàna) hoe:

Ny olona rehetra, zokiolona na zandriolona, dia tokony nikitikitika, namelively, nikidaladala na tamin'ny fomba hafa nanamarika sy nandrisika an'ireo fanontaniana fanarahamaso, izay mety ho tantara goavana indrindra teo amin'ny androntsika.

Facebook comment by Trinidadian journalist Lennox Grant

Eo ampanontaniana tena ireo mpampiasa Facebook ao Trinidad hoe fa maninona i Manning no tsy manana fandidiana azy manokana eo an-tanindrazany. Ireo hafa milaza fa karazana endrika fanafenana an'izay heverin'izy ireo ho tsy fahaizany mitantana io aretina io. Saingy misy kely ihany ireo fanehoana famindràmpo aseho – marika iray manaitra amin'ny tsy maha-mamy hoditra ny praiminisitra eny anivon'ny vahoaka. Ary vitsy ireo olona mbola miady hevitra mikasika ny tsy fisian-danjan'i Manning eo amin'ny governemanta ankehitriny sy ny politika ao Trinidad sy Tobago.