05 Novambra 2018

Tantara tamin'ny 05 Novambra 2018

Lahatsoratry ny OJR momba ny bilaogy Bahrainita

Manampy amin'ny fisarihana ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena ao amin'ny fireneny ireo bilaogera ao Barhain. Ny herinandro lasa teo dia nisy  lahatsoratra iray tao amin'ny Wall Street Journal. Manana lahatsoratra lavalava momba ny tontolon'ny bilaogy Bahrainita i Mark Glaser ao amin'ny Online Journalism Review amin'izao fotoana izao:

Mitombo isa ny bilaogy Iraniana

Zava-mahagaga no mitranga ao amin'ireo bilaogy Iraniana tato ato. Hitako izao ny zavatra nandrasako tamin'ny resaka metafôroko fahatelo, bilaogy toy ny kafe, izay nametrahana sehatra tsy manam-paharoa sy fifanakalozan-dresaka ho an'ny adihevitra ara-politika eo amin'ny vahoaka.

Ako avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana

Swobodin manoratra hoe nahoana ny Tetikasa Gutenberg no manana boky maherin'ny 10.000 azo trohana amin'ny fiteny 50, kanefa tsy misy amin'ny teny Arabo. Manohy miresaka momba ny tsy fisian'ny boky amin'ny teny Arabo amin'ny endrika elektronika izy, sy momba ireo tranombokim-pirenena sy foibe ara-kolotsaina tsy mampiroboroboa ny literatiora Arabo.