- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hiverina ao Iran i Hoder

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2006)

Nanambara  [1]ilay Iraniana bilaogera monina ao Toronto, Hossein Derakshan, aka Hoder fa hiverina any Iran amin'ny herinandro ambony izy, na dia eo aza ny loza mety hihatra aminy. Hoy izy nanoratra:

Despite the risks, I think this is the safest time for me to visit, because the regime is likely to behave more tolerantly right before the elections on June 17th. It's a small window of opportunity which may not open again for a long time. Especially because it's not clear who the next president will be and how the regime will deal with the internal and international pressure.

I miss my country and I am frustrated that I must have fears of going back simply because of the words I have written in my weblogs. (Read Sina Motallebi [2]‘s account of his three weeks detention because of his blog postings.)

Na dia eo aza ireo loza mety hitranga, mieritreritra aho fa ity no fotoana azo antoka indrindra ho ahy hanaovana fitsidihana, satria toa somary mandefitra kokoa ny fitondrana alohan'ny fifidianana amin'ny 17 Jona. Varavaran-kelim-pahafahana izany izay mety tsy hisokatra maharitra. Indrindra fa satria tsy mazava tsara hoe iza no ho filoha manaraka ary ahoana no hiatrehan'ny fitondrana ny tsindry anatiny sy iraisam-pirenena.

Mahatsiaro ny fireneko aho ary kivy aho fa tsy maintsy matahotra ny hiverina noho ireo teny nosoratako tao amin'ny tranonkalako. (Vakio ny tantaran'i Sina Motallebi [2] momba ny fitanana azy telo herinandro noho ny famoahany ny blaoginy.)

Hibilaogy i Hossein, hanao fandraketam-peo ary haka sary mandritra ny diany. Ny fifidianana filoham-pirenena [3] amin'ny 17 Jiona no tena ifantohana. Mangataka amin'ireo mpamaky azy izy mba hanohana azy amin'ny alàlan'ny fampifandraisana ny lahatsoratra bilaoginy avy any Iran sy amin'ny fanomezana vola amin'ny alàlan'ny paypal mba hanampiana amin'ny fanatontosana ny dia

Nitana anjara toerana lehibe tamin'ny famoahana ny tontolon'ny blaogy Persiana i Hossein, ary “bilaogera tetezana (mpampita)” goavana izy. Iray amin'ireo bilaogera nanintona anay mba hanangana ny Global Voices izy. Vakio ity lahatsoratra gazetiboky “Wired” [4]momba azy ity, ary ity lahatsoratra [5]manonona azy sy ireo bilaogera hafa izay nanatrika ny fihaonamben'ny Global Voices tamin'ny volana Desambra lasa teo. Azonao atao ihany koa ny mihaino ny tafatafa niarahana tamin'i Hossein sy ireo bilaogera hafa ao amin'ny Radio Open Source an'i Chris Lydon: ato [6] sy ity [7] podcast 20 minitra momba ny fihaonambe nataonay tamin'ny volana Desambra ity.