Fampahafantarana an'i Peter Tan

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2005)

peter tan
Anatin'ny teny fampidirana ao amin'ny bilaoginy The Digital Awakening, manoratra izao i Peter Tan:

Sinoa Maleziana Katôlika Romana aho, teraka sy nobeazina tao Penang, efapolo taona latsaka, niharan'ny ratra ny tsokan-damosiko tamin'ny faha-18 taonako, tsy afa-mihetsika manomboka eo amin'ny tratrako ka hatrany ambany ary iharan'ny aretin'ny voa miverimberina aho. Mitantara ny fiainako, ny eritreritro ary ny fomba fijeriko ity bilaogy ity.

Nambaran'i Peter tanatin'ny tafatafa tao amin'ny IRC-n'ny Global Voices androany fa teo amin'ny 2 taona teo izao izy no nanoratra bilaogy. Nanova ny fiainany izany: “Tanatin'ny enin-taona…maro nóho ny namana azoko teo amin'ny fiainana tena izy ireo namana azoko tao anaty aterineto,” hoy izy nanoratra. Milaza ho tsy mahafantatra ny isan'ny mpamaky azy,  “20 angamba” hoy izy nihanihany. Saingy tsy izany no tiana hahatongavana. “Manoratra bilaogy ho an'ny tenako aho… fandosirana ny zavamisy ny fanoratana ho ahy.”

Tongasoa Peter! Manantena izahay fa afaka hanampy bebe kokoa ireo olona mba hahita anao sy haka lesona avy amin'izay ambaranao ny vondrompiarahamonina Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.