- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitombo isa ny bilaogy Iraniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2005)

Zava-mahagaga no mitranga ao amin'ireo bilaogy Iraniana tato ato. Hitako izao ny zavatra nandrasako tamin'ny resaka fanoharana fahatelo nataoko, bilaogy toy ny kafe, izay nametrahana sehatra tsy manam-paharoa sy fifanakalozan-dresaka hisian'ny adihevitra ara-politika eo amin'ny vahoaka.

Ny ohatra voalohany dia mikasika ny ambadiky ny sehatra fampielezan-kevitry ny kandidan'ny fanovana, izay sambany vao nambara tamin'ny bilaogy sasany. Javad Rouh [1] sy Ali Seyedabadi [2] samy nanoratra ny fotoam-pivoriana iray izay nanasàna ireo mpanao gazety mpikatroka mba hihaona sy hiresaka amin'ny tompon'andraikitry ny fampielezan-kevitra. Mahaliana ny mahita ireo mpanao gazety nanakiana am-pahibemaso ny fampielezan-kevitra sy ny kandidà tenany ary ny fomba namalian'ireo mpitantana ny fampielezan-kevitra azy ireo. (Araka ny hevitr'i Rouh, mora mandray tsikera i Mostafa Tajzadeh [3] raha oharina amin'i Ali Mazrooie.)

Ohatra faharoa ny momba ireo blaogy am-polony mahaleotena [4], na mpanao gazety na olon-tsotra, izay nitatitra sy niresaka momba ny toetoetry ny kianja Azadi taorian'ny lalao baolina kitra hipoka mpijery feno fientanentanana tamin'ny lalao teo amin'i Japana sy Iran, izay indrisy, fa niteraka fahafatesana olona vitsivitsy.

Azoko alaina sary an-tsaina ianareo rehetra, izay tsy mahay mamaky teny persianina, maniry aho fa ho azonareo ny resaka.

(Navoaka tao amin'ny Editor: Ny tenako [5] ihany koa)