
Mpanao hetsi-panoherana tao an-drenivohitr'i Sri Lanka mitaky ny filoha hanavao ny parlemanta sy hamaha ny olana momba ny fanendrena ny praiminisitra. Sary avy amin'ny pejy Facebookn'ny GroundViews. 30 Oktobra 2018.
Ny 26 Oktobra, nanomboka niharatsy ny toe-draharaha ara-politika tao Sri Lanka raha nanendry ny filoha teo aloha sady mpanohitra mpikambana tao amin'ny parlemantera Mahinda Rajapaksa ho praiminisitra ny filoha ankehitriny Maithripala Sirisena - fanapahan-kevitra izay niteraka ny fanonganana ny praiminisitra am-perinasa Ranil Wickremesinghe.
Nitarika fahafatesana mpanao fihetsiketsehana iray ny ady fahefana teo amin'ny Praminisitra voaongana Wickremesinghe sy ny Praiminisitra vao notendrena Rajapaksa, maty ilay mpanao fihetsiketsehana rehefa nitifitra ny vahoaka tao an-drenivohitra Sri Lankey, Colombo ireo mpiambina ilay minisitra voaraoka.
Krizin-dalàm-panorenana sy fahafatesana mpanao fihetsiketsehana iray
Nitarika krizin-dalàmpanorenana any Sri Lanka ny fandroahana an'i Wickremesinghe ary maro no manontany raha ara-dalàna ny fihetsiky ny filoha.
Taorian'ny nanesorana ny praiminisitra Wickremesinghe, naaton'ny filoha Sirisena nandritra ny telo herinandro ny parlemanta ao amin'ny firenena ary nesoriny ireo momba ny fiarovana manokana sy ny fiaran'i Wickremesinghe.
The security detail of UNP Leader & sacked #SriLanka PM #RanilWickremesinghe has been reduced to 10 personnel from 1,008 on the directions of IGP. It is reported that the 10-member security detail would be comprised only of Ministerial Security Division members & no STF members. pic.twitter.com/pScTmOKvFy
— Prassanata (@Prsnnta) October 29, 2018
Nahena ho mpiasa 10 ny isan'ny fiarovana ny mpitarika ny UNP, praiminisitra voaroaka #RanilWickremesinghe ao #SriLanka raha 1008 ny voalazan'ny IGP. Voalaza fa ny vondrona fiarovana ahitana mpikambana 10 dia ho an'ireo mpikambana ao amin'ny Sampana fiarovana Minisiterialy ihany ary tsy misy mpikambana ao amin'ny STF.
Ny zava-mitranga dia tolom-pahefana eo amin'ny praiminisitra vao voatendry sy ny Praiminisitra naongana vao haingana izay samy mino ny maha-ara-dalàna azy ireo. Rehefa nivoaka ny vaovao, dia nidina an-dalambe ireo mpanohana azy roa lahy – ka nitarika fahafatesana mpanao fihetsiketsehana iray.
Ny 28 Oktobra, nofoanan'ny filoha ny kabinetran'ny minisitra ary nanomboka nanakana ireo minisitra avy amin'ny kabinetra teo aloha tsy hiditra ao amin'ny biraon'izy ireo ny mpanohana an'i Mahinda Rajapaksa. Ny hariva, nosakanan'ny vahoaka tsy hiditra ny biraony i Arjuna Ranatunga, mpikambana voaroaka tao amin'ny governemanta, ka nahatonga ny mpiambina an'i Ranatunga hitifitra ny vahoaka.
Araka ny voalazan'ny polisy,dia olona iray 34 taona no namoy ny ainy ary olon-kafa roa no naratra. Nosamborina avy hatrany ilay mpiambina. Ny 30 Oktobra, nosamborin'ny polisy ihany koa ny minisitra Ranatunga noho ilay tranga fitifirana.
“They tried to kill me, around 50 mob entered with poles & one of them tried to grab the weapon of my PSD officer, Then he shot, There is CCTV evidence, Media can get them and see how they behaved” Arjuna Ranatunga explains what happened pic.twitter.com/4brwA1QliB
— Mohamed Arkil (@mrmarkil) October 29, 2018
“Niezaka namono ahy izy ireo, vahoaka manodidina ny 50 no niditra niaraka tamin'ny (kibay) ary niezaka naka ny fitaovam-piadian'ny tafiko PSD ny iray tamin'izy ireo. Ka nitifitra izy avy eo, misy porofo avy amin'ny CCTV (kamera fanarahamaso), afaka mahazo izany ny Media ary mijery ny fomba fihetsik'izy ireo”, hoy i Arjuna Ranatunga manazava izay nitranga
Fihetsiketsehana ao an-drenivohitra
Mandre ny fanesorana azy, nanamafy ny praiminisitra Ranil Wickremesinghe fa tsy nanana eritreritra hiala amin'ny toerany.
“I am still the PM” says Ranil Wickremesinghe. Speaking to News 1st he said he retains the position of PM & the swearing in was unconstitutional- Newsfirst
— Mohamed Arkil (@mrmarkil) October 26, 2018
“Mbola izaho no praiminisitra” hoy i Ranil Wickremesinghe. Raha niresaka tamin'ny News 1st izy dia nilaza fa mbola mitazona ny toeran'ny PM izy ary tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana ny fianianana – Newsfirst
Nilaza ihany koa i Wickremesinghe fa farafahakeliny solombavambahoaka 128 ao amin'ny antenimiera ahitana mpikambana 225 no nanao sonia mba hitaky ny famerenana avy hatrany. Nampiseho ny fanohanany tamin'ny fitangoronana teo ivelan'ny tranony ofisialy sy nilanja ny sainan'ny antoko ireo mpanohana an-jatony an'i Wickremesinghe ary manameloka ny filoha Sirisena sy ny praiminisitra vao notendrena Rajapaksa.
Mandritra izany fotoana izany, ireo mpanohana an'i Rajapaksa kosa nibodo an-keriny ny fahitalavi-panjakana Rupavahini noho ny fiheverena fa manohana an'i Wickremesinghe ny fahitalavitra.
Chaos at @rupavahinitv
Several pro @PresRajapaksa MPs seen along with their supporters.
Rupavahini has suspended its transmission.
STF has been brought in.
Footage Courtesy @NewsfirstSL #LKA #SriLanka #PoliticalCrisisLK #Media #Rupavahini pic.twitter.com/ekyvs7IAXJ— Munza Mushtaq (@munza14) October 26, 2018
Korontana ao amin'ny @rupavahinitv
Hita miaraka amin'ireo mpanohana azy ireo solombavambahoaka maromaro mpomba an'i @PresRajapaksa.
Naaton'ny Rupavahini ny fandefasana fandaharana.
Nampidirina tao ny STF.
Sary avy amin'ny @NewsfirstSL #LKA #SriLanka #PoliticalCrisisLK #Media #Rupavahini pic.twitter.com/ekyvs7IAXJ
Can #SriLanka and SriLankans spare their lunch break tomorrow, for the sake of our own future? Let us clearly tell the people in power, that a #coup will not be tolerated. This is beyond Ranil or UNP. Lets stand up for ourselves. Our futures!#CoupLK #ConstitutionalCrisisLK #LKA pic.twitter.com/dZMaJhzbVR
— Fayaz Mahroof (@fayazmahroof) October 29, 2018
Afaka tsy misakafo atoandro ve i #SriLanka sy ny SriLankey rahampitso, mba ho an'ny hoavintsika manokana? Andeha lazaintsika mazava amin'ny olona eo amin'ny fahefana fa tsy leferina ny fanonganam-panjakana. Tsy voafehin'ny Ranil na UNP izany. Andeha hitsangana ho an'ny tenantsika. Ny ho avintsika
Antso hamerenana ny demaokrasia
Ny 30 Oktobra, an'arivony no nidina an-dalamben'i Colombo mba hangataka ny fiverenan'ny Parlemanta ho famahana ny krizy ara-politika misy:
Protest has begun at Liberty Roundabout. Tens of thousands are asking @MaithripalaS to immediately summon Parliament so democracy can be restored. #SriLankanPolitics @officialunp @RW_UNP pic.twitter.com/tDhaRvDzJ9
— Harsha de Silva (@HarshadeSilvaMP) October 30, 2018
Nanomboka tao amin'ny Fihodinana Fahafahana ny fihetsiketsehana. An'aliny no mangataka an'i @MaithripalaS mba hampiantso avy hatrany ny Parlemanta ahafahan'ny demaokrasia hiverina amin'ny laoniny.
Raha nahita ny hetsi-panoherana ho toy ny antso ankolaka ho famerenana azy ny praiminisitra voaroaka, nahita izany ho fanararaotana hilazana mafy izay hitan'izy ireo ho “fanalavana ny parlemanta” kosa ny vondrona hafa. Ho hita eo raha mbola hitondra herisetra bebe kokoa ny andro manaraka na herinandro manaraka.