Kambodza-Thailandy : Mitohy ny fifandirana manodidina ny fiangonana Preah Vihear

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2009)

Ny fiangonana tranainy Preah Vihear, izay, araka ny voalazan'ny UNESCO, niorina tamin'ny taonjato faha-9 ary natokana ho an'i Shiva, dia hita ao amin'ny sisintany manelanelana an'i Kambodza sy Thailandy. Loharano nipoiran'ny fifandirana teo amin'ireo firenena roa mpifanolo-bodirindrina ireo ny fananana tanteraka an'i Preah Vihear. Tamin'ny taona 1962, Ny Fitsaràna iraisam-pirenena, namaly ny fangatahan'ny governemanta Kambodziana, dia nametraka hevitra fa miorina eo amin'ny tanin'i Kambodza ilay fiangonana. Tamin'ny volana Jolay 2007, nanendry ilay fiangonana ho toy ny toerana noheverina ho Harenan'izao tontolo izao ny UNESCO, noho ny “fananany haimaritrano tsy manam-paharoa”.

Sarin'ny paniek eo amin'ny flickr.

Two boys sit in the Temple.

Ankizilahy kely roa ao anatin'ny Fiangonana. Sary an'ipaniek eo amin'ny Flickr.

Nanomboka tamin'ny nanoratan'ny UNESCO azy  tamin'ny taona 2008 no nitrangan'ireo fifandonana tao amin'ny faritra, teo amin'ireo miaramila Kambodziana sy Thailandey. Na izany aza anefa, araka ny voalazan'ny gazety The Mirror, marobe ireo olom-panjakana Kambodziana no nandà hoe tsy ny fanoratan'ny UNESCO azy no fototr'ireo fifandonana ireo. Mitaky ny fijeren'ny UNESCO indray ny fanoratana azy i Thailandy mba ho samy hitantana ilay Fiangonana avokoa na i Thailandy na i Kambodza. Manamarika ny gazety The Mirror fa:

Raha miainga avy amin'ireo tahirin-kevitry ny UNESCO, notanisaina eto isan'andininy, itondranay fanampim-baovao ny mikasika an'ireo fizotry ny Kaomisiona misahana ny vakoka iraisampirenena ao amin'ny UNESCO sy ny fanoratana ny toerana misy ilay Fiangonana masina Preah Vihear, izay nitarika an'ireo fifandonana ara-miaramila, ny fandatsahan'aina teo amin'ny roa tonta, ary ny fihenana tampoka teo amin'ny sehatry ny fizahantany – hita taratra ao anaty Mirror avokoa ireo rehetra ireo nandritra ny taona lasa.

Indrisy nefa, ary tena gaga izahay – na teo aza ny fihetsehampo goavana nateraky ny fanoratana ny Preah Vihear – tsy dia namoaka betsaka loatra mikasika an'ireo tohankevitra saropady, ara-dalàna sy voasoratra anaty fifanarahana ny fampahalalam-baovao Kambodziana, miainga amin'ilay fanoratana ho anisan'ny Vakokoa iraisam-pirenena ary ireo andraikitra ho sahanina amin'ny hoavy ho an'ny governemanta Kambodziana.

Nefa raha tsy manao tatitra mikasika ny vokatr'io fanoratana io ny fampahalalam-baovao, ny governemanta kosa, tetsy ankilany, dia tena mahalala tsara ilay fanendren'ny UNESCO. Vao haingana no nankalaza ny tsingerintaona voalohany mikasika ilay fanaovantsonia ny governemanta Kambodziana tamin'ny alalan'ireo dihy sy ireo lahateny. Azo nojerena tao amin'ny blaogy Monkgol sy Khmerization ny sary.

Vaovaon'ny TVK tamin'ny 7 jolay 2009-2 Preah Vihear (UNESCO) (tapaka ny rohy) Nosintonin'ny KampongSpeu.

Nadika tamin'ny tambajotra ihany koa ny fifankahalàna nisy teo amin'ireo firenena roa, toy ny fanamarihana nataon'i Kounila Keo tao anaty lahatsorany manao hoe “Tiako ny Khmer vs. Tiako i Thailandy” mikasika ireo vohikala mifaninana ilovethailand.org sy ilovekhmer.org.

Ny blaogy Details are Sketchy (bilaogy efa nakatona), miaraka amin'ireo fanehoankevitry ny ThaRum, dia mitatitra fa nosakanana ny vohikala  ilovethailand.org ao Kambodza, saingy tsy mazava hoe iza no nisakana azy.

Raha mbola mitohy ireo fifankahalàna, ampangain'i Sopheap Chak ny Association of Southeast Asian Nations [Fikambanan'ireo fanjakana ao Atsimo-Atsinanan'i Azia na ASEAN] ho tsy nahatanteraka ny asany amin'ny “fampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny filaminan'ny faritra”. Tao anaty matoandahatsoratra iray navoakan'ny masoivoho UPI Asia, manoratra i Chak fa tsy azo ekena ny tsy fihetsehan'ny ASEAN manoloana ny raharaha Preah Vihear. Manoratra i Chak fa: “toa tsy misy dikany fotsiny izao ny ASEAN raha vao resaka ny fiarovana an'ireo firenena mikambana ao anatiny… ary ny tsy fisiana hetsika dia hidika fa tsy ho afaka hitohy ny fiheverana ny ASEAN ho toy ny fikambanana iray lohalaharana aty amin'ny faritra”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.