- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hanomboka tsy ho ela ny Fihaonana An-tampony amin'ny Global Voices (2010)!

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2010)

Taorian'ny volana vitsivitsy nikarakarana ary ny horohorontany iray tena nanelingelina be [1], latsaky ny 10 ora mialohan'ny fanombohana ny Fihaonana An-tampon'ny Global Voices Citizen Media 2010  [2]izao isika. Ho anareo efa aty Santiago miaraka aminay, ho faly ny hahita anareo izahay rahampitso ao amin'ny Tranombokim-bahoaka ao Santiago. Ho an'ireo handray anjara an-tambajotra, maro ny fomba hijanonana amin'izany mandritra ireo roa andron'ny fihaonana.

Handefa mivantana an-dahatsary [3] izay farany vitanay amin'ireo resaka ho atao izahay, raha mbola ho eo anilanay foana ireo andriamanitry ny aterineto. Ankoatra ilay fandefasana mivantana an-dahatsary, hitoraka blaogy mivantana ireo resaka, fanamarihana mahira-tsaina, ary fosafosa tsy azo ialana rehetra amin'ny teny Angllisy sy Espaniola i Jorge Gobbi sy i Felipe Cordero, mandritra ireo roa andro isehoan'ilay fihaonana an-tampony.

Afaka mihaino tsy tapaka ao amin'ny Twitter [4]ianao, ary afaka mandray anjara amin'ny fampiasana ny tenifototra “#gv2010 [5]“. (Manana torolalana ho an'ny fampiasana tenifototra [6] i Twitter.) Na dia tsy manana fidirana amin'ny aterineto aza, mitatitra [7] ao amin'ny Twitter ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana an-tampony saingy nosakanan-dry zareo ny wi-fi tao amin'ilay hotely. Misy vondrona Flickr [8] ihany koa ho an'ny sary tamin'ilay fihaonana.

Henoy tsy tapaka ny Blaogy Fihaonana An-Tampony [2] mba hahazoana vaovao mandritra izany roa andro izany. Efa navoaka ny isanà fandinihana mahazendana mikasika ny fampandrosoana ny fandraisana anjara an-tambajotra any Oganda [9], Maraoka [10], Ejipta [11], Madagasikara [12], Masedonia [13], Arzantina [14], Inde [15], Gaza [16], Shina [17], Kolombia [18], ary any Bolivia [19].

Manantena ny fandraisanao anjara izahay, aty Shilia sy manerana ny tany!