Ny “Freedom to Connect”

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2005)

F2clogo246Aty Washington D.C.manatrika ny famelabelarankevitra Freedom to Connect aho amin'izao. Misy fihainoana rakipeo mivantana sy firesahana mivantana mipetraka eo amin'ny lohan'ny vohikalan'ilay famelabelarankevitra.

Teny fanevan'ny famelabelarankevitra: “Mandeha ny hoavin'ny fifandraisandavitra. Hamolavola ny adihevitra ny Freedom to Connect”

Hiresaka momba ny Global Voices aho anatin'ny resaka amin'ity tolakandro ity. Ny hifantohako: Mba hamoronana media iraisam-pirenena demôkratika kokoa sy adihevitra ahitàna lafiny maro kokoa manerana izao tontolo izao, tsy maintsy mikendry fidirana aterineto mora sy amin'ny sarany mirary ho an'ny olona rehetra maneran-tany isika. Mety amin'ny alàlan'ireo fitaovana tsy mila tariby entina mandehandeha izany fa tsy amin'ny alàlan'ny aterineto haingam-pisosa sy ny solosaina, kanefa laharampahamehana ny fahafahana mifandray sy mirotsaka anatin'ny adihevitra irasam-pirenena.

Manan-kevitra na fomba fijery momba izany? Miangavy anao hizara azy ireo ao amin'ny tafatafa mivantana na ny toerana fametrahana fanehoankevitra eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.