- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Tsara ny Manao ny Anaran'ny Tranombarotrao hoe “Hitler”

Sokajy: Afrika Mainty, Mozambika, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
[1]

Ny anaran'i Hitler eo amin'ilay tranombarotra fivarotana akanjo ao Maputo | Sary nampiasaina teo ambany famelan'ny tompony

Nanala ny anarany sy ny sary famantarana azy ny tranombarotra iray fivarotana akanjo tao Maputo (renivohitr'i Môzambika) izay nampiseho sarisary Nazi, rehefa niteraka hatezerana tao anaty Facebook izany teo anelanelan'ny 21 sy 22 Oktobra 2018.

Ao anatin'ny iray amin'ireo toeram-piantsenana goavana indrindra ao amin'ny firenena — ny “Maputo Shopping Center” [2], anatinà faritra be olona ao an-tanàndehiben'ilay renivohitra Môzambikanina, ary akaikin'ny biraon'ny Praiminisitra sy ireo andrim-panjakana hafa — no ahitàna ilay tranombarotra “Hitler”, izay toa nanomboka nisokatra [3] tany amin'ny voalohandohan'ny volana Oktobra tany.

Ny 20 Oktobra, namoaka sarin'ny [4] varavarankelin'ilay tranombarotra izay nampiseho ny “swastika” Nazi (tanàm-bokovoko Nazi), i Fernanda Lobato, mpampiasa Facebook:

Loja com o nome HITLER e com a soástica estampada no vidro da loja. Maputo Shopping. Como permitem este ultraje?

Tranombarotra manana anarana hoe HITLER ary ahitàna ny swastika mipetaka amin'ny varavarankely. Maputo Shopping. Amin'ny fomba ahoana no hamelan-dry zareo hanaovana izao fanalam-baraka izao?

[5]

Anaran'i Hitler amin'ny tranombarotra fivarotana akanjo ao Maputo | Sary nampiasaina teo ambany famelan'ny tompony

Tsy ela dia nahazo tsikera sy fanehoankevitra maro io filazàna io. Nanoratra [6] i Sara Lopes, izay mipetraka ao Maputo araka ny voalazan'ny mombamomba azy ao amin'ny rindriny:

Eu nem entrava nessa [censurado] de loja! Mas quem é o imbecil que abre uma loja dessas com uma conotação tão racista e de um homem que defende a supremacia da raça ariana quando nem ele mesmo o era?

Tsy mbola nanitsaka an'io tranombarotra [voasivana] io akory aho! Fa iza ilay tsy misy saina nanokatra tranombarotra tahaka izao miaraka aminà hevitra mpanavakavaka sy lehilahy iray niaro ny fahambonian'ny Aryanina kanefa tsy iray tamin'ireo akory aza ny tenany?

Milaza [7] i Ivete Marlene, Môzambikanina mpiangaly rap, mpikatroka mafana fo ho an'ny fiarahamonina no sady mpisolovava, fa naniratsira ny maha olona io tranombarotra io ary tokony hihetsika ny Fanjakana Môzambikanina amin'ny alàlan'ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana:

Um Estado com uma Constituição como a nossa não deveria nunca permitir isto! O que o fascismo fez com os negros? Quais eram os ideais do Hitler para Africa? Acima de tudo, o que Hitler fez a raça humana? As respostas a estas perguntas deveriam ser fundamento bastante para repudiar essa ideia comercial… Na verdade, essa loja é um insulto a nossa liberdade, moçambicanidade e nossa história por representar discriminação e genocídio a todas as raças em benefício e supremacia da raça ariana… A PGR [Procuradoria Geral da República] tem espaço para actuar aqui…não podemos aderir a Declaração Universal de Direitos Humanos por via da constituição e permitir isto de glorificar o maior genocida do mundo…

Tsy tokony hamela zavatra toy izao mihitsy ny Fankajàna manana Lalàmpanorenana tahaka ny antsika! Inona no nataon'ny fanavakavahana tamin'ny mainty hoditra? Inona ireo tarigetran'i Hitler ho an'i Afrika? Ambonin'izany rehetra izany, inona no nataon'i Hitler tamin'ny zanak'olombelona? Tokony ampy handavana io hevitra ara-barotra io ny valintenin'ireo fanontaniana ireo… Satria tokony ho faniratsiràna ny fahalalahantsika, ny maha Môzambikanina antsika sy ny tantarantsika io tranombarotra io amin'ny fampisehoana fanavakavahana sy famonoana ny firazanana rehetra ho fampisehoana ny fahambonian'ny Aryanina… Afaka mihetsika ny PGR [Lehiben'ny Fampanoavana]… tsy afaka ny sady hanaiky ny Fanambaràna Eran-tany ho an'ny Zon'Olombelona amin'ny alàlan'ny lalàmpanorenantsika isika no hamela ny fanindrahindràna ilay mpamono olona goavana indrindra teto an-tany…

Angamba noho ireo fanairana natao tao amin'ny pejin'ilay tranombarotra, toa voasakan'i [8]Facebook izy.

Toa nisy fiantraikany azo tsapain-tànana teo amin'ny fiainana tena izy ihany koa io lahatsoratra io. Roa andro taorian'ilay lahatsoratra voalohany, nanala ny anarany sy ireo sarisary teo amin'ny varavarankeliny ilay tranombarotra. Nandefa ity vaovao farany ity [9] i Fernanda Lobato:

Amigos, estou sem palavras (….) O nome da loja com o nome Hitler foi apagado. O símbolo da suástica foi apagado. Viva o Estado de Direito Democrático. Viva os Direitos Humanos. Parabéns a todos nós que nos indignamos com esta situação. Fico feliz por o meu país não admitir que símbolos que dignifiquem atrocidades efectuadas à Humanidade se perpectuem aqui. E viva as Redes Sociais, que usadas para o bem, conseguem chamar a atenção contra atos contra os Direitos Humanos.

Ry namana, ankina aho (…) nofafàna ny anaran'ilay tranombarotra nitondra ny anaran'i Hitler. Nofafàna ilay sarisarinà swastika. Ho lava andro hiainana anie ny Zon'Olombelona. Arahabaina isika rehetra izay tezitra tamin'ity zavamisy ity. Faly aho fa tsy manaiky ny famerenana ireo sarisary manamarina ny habibiana natao tamin'ny Maha Olona eto ny fireneko. Ho lava andro hiainana anie ny Tambajotra Sôsialy, izay rehefa ampiasaina amin'ny tsara dia afaka mampifantoka amin'ireo hetsika manimbazimba ny Zon'Olombelona.

Niantso ny hanohitohinana [10] ilay tranombarotra ny mpahay fiarahamonina Edgar Cubaliwa na teo aza ny fanaisorana ilay anarana sy ireo sarisary ho fanehoana ny tsy fankatoavana mandrakizay:

O nome e os símbolos foram apagados. Celebremos. Contudo, podemos continuar a mandar o recado para os donos: näo esquecemos…. O Nazismo saiu dos vidros mas não saiu da mente, do coração, da alma dos proprietários. E pessoas, não alimentem os discursos de desconhecimento de história por parte destes neonazistas. Esses fascistas conhecem muito bem a história, sabem o que fazem. Esse é o lado que escolheram. Agora cabe a nós sermos ou não aliados deles. Boicote.

Efa voafafa ilay anarana sy ireo sarisary. Ndeha hankalaza izany isika. Saingy izao, azontsika atao ny mandefa ity hafatra ity any amin'ireo tompony: tsy manadino izahay… Niala teo amin'ny fitaratra ny Nazisma saingy tsy miala ao an-tsaina, ao am-po, ary ao anatin'ny fanahin'ireo tompony. Ary ry vahoaka, aza mamelona ity lahatenin'ny tsy fahalalàna ataon'ireo neo-Nazis ity. Mahafantatra tsara ny tantara ireo fasista ireo, fantany izay ataony. Io no toerana nosafidiany. Ankehitriny dia antsika ny safidy na hiaraka aminy na tsia. Hanembatsembana.