(Fanamarihana : lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2004)
Maro tamin'ireo resaka malaza noresahiko omaly no avy amin'ireo tafatafa niarahana tamin'i Jonah Peretti izay nanao ForwardTrack (rohy maty) sy i Reid Hoffman, filoha lefitra teo aloha ao amin'ny PayPal, i Francesco Cara ary i Marko Ahtisaari. Raha misy olona liana hanaraka lalina kokoa, hiezaka hanisy pejy wiki miaraka aminà rohy maro kokoa aho vantany vao manana toerana maharitra ho an'izany isika.