Teny Ierana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2004)

Isaorana ianareo marobe nanolotra sosokevitra fanovàna sy fanitsiana, ito ny dika faran'ilay Teny Ierantsika. Iangaviana ianao hanolotra ireo sosokevitra fanovàna ao amin'ny Wiki (rohy maty), kanefa manantena izahay fa hofaranantsika amin'ny Alatsinainy ity fara-fahelany.

Mino ny fahalalahana miteny izahay, na ny fiarovana ny zo hiteny na ny fanitarana ireo fahazoana fitaovam-pitenenana. Raisinay amin'ny heviny mivalapatra ny fitenenana mba hampidirana media maro izay manamora ny fanehoankevitra.

Nihitatra voalohany indrindra ho an'ireo tompon'ny teknolojia famoaham-baovao sy fizaràna foana ny zo hiteny, manomboka amin'ny gazety an-tsoratra. Ankehitriny dia afaka mamoaka, mizara ary miditra anatinà fantsona fizaràna amin'ny alàlan'ny aterineto ny rehetra. Ny tanjonay dia ny hahenoana ireo izay te hiteny.

Mino ny herin'ny fifandraisana mivantana sy ny fahalalahana hifandray izahay. Tsy zaraina, miendrika pôlitika ary mahery ny fifandraisana eo amin'olona avy aminà tontolo samy hafa.

Te hanangana tetezana mampitohy ireo hantsana izay nanasaraka antsika noho ny kolontsaina izahay. Rehefa miampita ireo hantsana ireo isika, mifankahazo kokoa, mahay miara-miasa kokoa, ary mihetsika mafy kokoa. Miaraka amin'ireo tetezana ireo, azontsika atao miaraka izay nonofinofisintsika fotsiny fony irery.

Valisoa ho an'ny tenany ihany ny fifandraisana mivantana. Saingy, anatinà tontolo feno fanamby, làlana tsara indrindra hananganana hoavy malalaka, anatin'ny rariny, ambinina ary maharitra ihany koa izany.

Raha toa ka sady manohy ny asanay ihany izahay tsirairay avy, tsapanay ihany koa anefa ny tombontsoa sy tanjona iombonanay. Samy miteny ho an'ny tenanay izahay, fa kosa miaraka ato anatin'izao daholo. Mianiana izahay fa hanaja, hihaino, hanampy, ary hianatra avy amin'ny hafa. Izahay no Feon'izao Tontolo Izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.