- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fandrahonana ho Faty an'i Hoder

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2004)

Sahiran-tsaina [1] (rohy maty) amin'ireo fandrahonana ho faty voarainy sy ireo bilaogera hafa, nivoaka tao aminà bilaogy iray antsoina hoe Islamic Army [2], ilay bilaogera Iraniana Hossein Derakhshan, fantatra koa amin'ny anarana hoe Hoder.

Manoratra i Hoder:

Tsy nandray azy ireo ho matotra mihitsy aho hatramin'izay, saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia miasa kely ihany ny saiko, satria toa vondrona iray hafa mety tia ilay bilaogy tena izy ry zareo ary niezaka nampifanaraka ny hafany sy nanomana porofo maromaro ho an'ireo fitakiana tany am-boalohany, na fara-faharatsiny, momba ahy. (Na izaho aza no lohalaharana ao anatin'ilay lisitra tena izy, misy anarana hafa maro ao.)

Toa matotra ny hafany amin'ity, ary rehefa ampiako ny fanononana vao haingana ny anarako tanatin'ireo gazety Islamika hiringiriny toy ny Jomhouri-e Eslami sy Kayhan izany, tsy dia tsara loatra.

Noho izany, na dia mety ho mbola lalaon-jaza ihany aza ity, heveriko fa tsy maintsy mampandre ny mpitandro filaminana Kanadiana sy mifandray amin'ny Google aho hijerena raha afaka mitady izay misy azy ireo ry zareo, indrindra amin'ny alàlan'ireo mailaka anatin'ny kaontiny Gmail: islamicarmy@gmail.com

Mandehana any amin'ny pejin'i Hoder [1] (rohy maty) raha mila fanazavàna fanampiny, na hanohana azy sy hampahafantatra azy izay hevitrao.

(Navoaka tao amin'ny www.Rconversation.com ihany koa ity)