Mpanangom-baovao ho an'ny Global Voices

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2011)

Namorona mpanangom-baovao (rohy maty) natokana ho an'ny GVO aho. Natsofoka tao anatiny avokoa ireo mpandray anjara rehetra voamarina ka manana bilaogy na vohikala manana fahana RSS.

Homena fidirana amin'ilay mpanangom-baovao Bloglines ihany koa ireo mpandray anjara rehetra voamarina (tokony haharay mailaka momba izany ianareo rehetra). Namorona lahatahiry samy hafa aho ho an'ireo faritra samy hafa eran-tany. Iangaviana ianao hampiditra ireo bilaogy tianao indrindra amin'ny teny ao anatiny. (Angamba mety afaka mamorona lahatahiry misaraka ho an'ireo fiteny isan-karazany – afaka manao izany izay mpanoratra rehetra afaka miditra ao.) Ny fanangonana ireo bilaogy avy amin'izao tontolo izao dia inoantsika voalohany indrindra fa hanome sary mazava kokoa ny amin'izay azon'ny mpamaky teny Anglisy fantarina momba izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny famakiana bilaogy, izay tsy ho hainy raha mionona amin'ny famakiana ny media mahazatra fotsiny izy. Raha vitantsika ihany koa dia hatao toy izany ireo mpamaky teny Sinoa, Portogezy, sns.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.