Tantara tamin'ny 01 Novambra 2018
Mpanangom-baovao ho an'ny Global Voices
Ny fanangonana ireo bilaogy avy amin'izao tontolo izao ireo dia inoantsika voalohany indrindra fa hanome sary mazava kokoa ny amin'izay azon'ireo mpamaky mampiasa fiteny samy hafa fantarina momba izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny famakiana bilaogy, izay tsy ho hainy raha mionona amin'ny famakiana ny media mahazatra fotsiny izy.
Fandrahonana ho Faty an'i Hoder
Sahiran-tsaina amin'ireo fandrahonana ho faty voarainy sy ireo bilaogera hafa, nivoaka tao aminà bilaogy iray antsoina hoe Islamic Army, ilay bilaogera Iraniana, Hossein Derakhshan, fantatra koa amin'ny anarana hoe Hoder.