Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

31 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 31 Oktobra 2018

Shina: Fanadihadiana Twitter mikasika ny fialan'ny Google

Raha toa ka miandry ny fanapahan-kevitry ny Google mikasika ny hoavin'ny asany ao Shina ireo Sinoa mpampiasa Aterineto, nanomboka nanontany ireo mitovy aminy mikasika ny zavatra tokony hataon'ny Google ny mpampiasa aterineto iray ary inona no fiantraikan'izany raha toa ka manapa-kevitra ny hiala ilay orinasa.

Honduras: Noho ny rivomahery “Félix”, nipatrapatraka ny bilaogy

« Minoa ahy, tena faran'izay tsy mampahazo aina ny manokatra imailaka ary mamaky momba ireo rivomahery mampididoza – indrindra ho an'olona iray izay tsy mbola niaina velively ny atao hoe rivomahery. »

Shina: Sary Anehoana ireo Fitsaràna an-tendrony Ara-Kolontsaina sy Ara-poko

Lasa nalaza be ny Shinoa vlogger iray niaraka tamin'ny fangalany tahaka ny firokin'ireo Aziatika manodidina azy sy ny kolontsaina manerana izao tontolo izao. Inona koa moa anefa no mahasamihafa ireo tsy fitoviana ireo amin'ny fitsaràna an-tendrony hitanao tany an-kafa?

Shina: Lasa Malaza Be Ny Pandaman vs. Christian “Batman” Bale

Nahatonga andian-tsary maneso maro ireo fifandirana vao haingana nisy teo amin'i Christian Bale sy ny polisin'ny filaminam-pirenena (antsoina koa hoe "Pandas") ary mifanojo amin'ny fanambarana hoe naverina am-ponja ny shinoa mpanohitra iray hafa, 20 volana taorian'ny ''namotsorana'' azy teo ambanin'ny fitsapana azy.

Ireo blaogera indiana mikasika ny Virginia Tech: alahelo, ary fanontaniana iray tapitrisa

Maneho ny heviny manoloana ilay loza nitranga tao amin'ny Oniversite Virginia Tech avokoa ireo blaogera Indiana

Bahrain: Manonofy Bahrain Tsara kokoa ireo Mpampiasa Twitter

Ny Sabotsy maraina teo, nisy tenifototra vaovao nipoitra tao amin'ny tontolon'ny Twitter tao Bahrain ary mpampiasa Twitter maro no naneho ny fanantenany, ny nofinofiny ary nanazava ny fangatahany tamin'ny alàlan'ny #IdreamofaBH.

Gresy: Voatendry ho Renivohitry ny Tanora Eoropeana 2014 i Thessaloniki

Andro iray feno hafaliana ho an'ny tanànan'i Thessaloniki, ny omaly 18/11/2011, izay nanambarana azy ho Renivohitry ny Tanora Eoropeana 2014.