- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Neil Harbisson: Mihaino ireo Loko

Sokajy: Angletera, Espaina, Fahasalamàna, Hevitra, Mediam-bahoaka, Mozika, Sarimihetsika, Siansa, Tanora, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsary Anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2013)

Nivoaka voalohany tao amin'ny gazety dizitaly Katalàna Vilaweb [1] ity lahatsoratra ity ary tafiditra anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices.

Nandritra ilay andiany farany tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika tsy miankina ao Sundance notanterahina ny 17 ka hatramin'ny 27 Janoary tany amin'ireo tendrombohitra ivelan'i Utah (Katalàna), nahazo zava-tsoa tsy nampoizina ilay mpamokatra sarimihetsika Rafel Duran [2] rehefa nandre fa nandresy tamin'ny Fifaninanan'ireo Mpamokatra Sarimihetsika ao amin'ny Focus Forward ny horonantsary fanadihadiana novokariny. Tantaraina anatin'ny Cyborg Foundation [3] ny fiainan'i Neil Harbisson [4], iray amin'ireo mpikambana voalohany tao amin'ny fikambanana ary neken'ny governemanta Britanika ampahibemaso ihany koa ho “cyborg” voalohany. Teraka niaraka taminà areti-maso antsoina hoe akrômatopsia [5] i Harbisson, izay mahatonga azy tsy hahay hanavaka ny loko ankoatra ny mainty sy fotsy. Namorona ny “Eyeborg” [6](rohy maty) ity mpaneho ny kanto hita maso sady mpamoronkira ity, nampianà injiniera amin'ny fitaovana elektrônika. Mitovy amin'ny antenina ilay “eyeborg” ary manampy amin'ny fandraisana ireo maridrefy alefan'ny loko ka mamadika azy ireo ho feo misongadina izay reny amin'ny alàlan'ireo taolana ao anatin'ny sofiny.

Mariana Viada i Neil Harbisson, de la Cyborg Foundation.

Mariana Viada sy Neil Harbisson avy ao amin'ny Cyborg Foundation.

Zavatra tsy nampoizina iray hafa ny fahalalàna fa ny iray ampahatelon'i Neil no cyborg, ny ampahatelony iray hafa Irlandey/Britanika ary ny ampahatelony farany dia Katalàna. Niaina tao Mataró nandritra ny taona maro izy ary tamin'ny 2010 no nananganany ny Cyborg Foundation [7] tao. Ankehitriny, manana toby iray vaovao any Barselona io ary fikambanana voalohany indrindra mampiroborobo ny fampiasàna ireo fitaovana elektrônika sy ny teknolojia mba hanatsaràna ny fahatsapantsika. Eto izahay dia miresaka amin'i Neil Harbisson, izay nandray fitenenana tanatinà hetsika malaza tahaka ny TED (lahatsary [8]) ary koa i Mariana Viada izay avy ao amin'io fikambanana io ihany koa.

· sombin-dahatsary [9] [ca] avy amin'ilay tafatafa.

· Henoy amin'ny mp3 [10] [ca] ilay fandaharana.

· Na koa avy amin'ireo onjampeo tao an-toerana [11] sy ao anaty aterineto [12] [ca].

· Azonao trohana ny podcast-n'ny Internauta avy ao amin'ny VilaWeb [13] na ny iTunes [14][ca].

Alefa ao amin'ny VilaWeb isaky ny Zoma hariva ny Internauta [15] [ca].