Shina: ”Tsy Hivarotra Aho Na Dia Mamono Ahy Aza Izany”

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2007)

Raha toa ka ny taona 2007 no taona nisondrotan'ireo tsenan'i Shina teo amin'ny tsenam-bola, tonga toy ny siny feno rano mangatsiaka ny fihenana 8% tamin'ny herinandro lasa teo. Na mariky ny zavatra hitranga, toy ilay bandy izay tsy nandeha ny ‘broadband’-ny tamin'izany andro izany ka tezitra mafy izy rehefa tsy nahazaka ny tsy fahafahany nikaroka ny petrabolany izy.

Mahazatra kokoa, nefa, ireo fomba feno hery famoronana izay hifehezana ilay firohotana, toy ny fanamboarana ilay hira hoe ‘Matesa Fa Mbola Ho Tiaviko Foana Ianao’ (死了都要爱) avy amin'ilay vondrona Shin mpiangaly rock Taiwaney, naverina nohiraina amin'ny dika mifanaraka amin'ny tsenam-bola toy ny hoe ‘Tsy Hivarotra Aho Na Dia Mamono Ahy Aza Izany’, nasiana dikateny izay nampiasana ireo fitaovana tsara be fanaovana dikateny ao amin'ny dotSUB (aza misalasala mandika ilay lahatsary amin'ny teny hafa!).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.