- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manangon-bola Hanaovana Horonantsary Fanadihadiana ilay ‘Ôrkesitra Voahodina’ ireo Mpamokatra Horonantsary

Sokajy: Amerika Latina, Paragoay, Fampandrosoana, Fanabeazana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Vaovao Tsara

(Fanamarihana : lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2013 ity lahatsoratra ity)

Miaina voahodidina fako ireo ankizy ao Cateura, tanàna mahantra ivelan'i Asunción, Paragoay. Aminà toerana izay mahalafo ny lokanga mihoatra nóho ny trano iray, manova ny fiainan'ireo ankizy ireo ilay mpiangaly mozika, Fabio Chavez, amin'ny fampianarana azy ireo hitendry mozika miaraka aminà zavamaneno vita avy amin'ny fako.

Ankehitriny, te hirakitra ny tantarany mampanainga fanahy anaty horonantsary fanadihadiana ny ekipa iray mpamokatra horonantsary ary mitodika amin'ny vohikala fanangonam-bola Kickstarter mba hanatanterahana izany.

Nofaritana ao amin'ny Kickstarter  [1]ho “tantara meva momba ny hery fanovàna ananan'ny mozika, izay manazava ihany koa ireo olana roa goavana amin'izao vanimpotoana misy antsika izao: ny fahantrana sy ny loto ateraky ny fako” ilay horonantsary ho avy “Landfill Harmonic” :

Mamokatra fako eo amin'ny lavitrisa taonina isan-taona eo izao tontolo izao. Ireo mahantra no miaina miaraka/avy aminy – tahaka ny vahoakan'i Cateura, Paragoay. Ary eto dia avadiny ho hatsaràna izany. Manaraka ny tantaran'ny ôrkesitra ny Landfill Harmonic raha izy miakatra an-tsehatra miangaly ny fako-lasa-mozika manainga fanahy ataony eran'izao tontolo izao.

Tanjon'izy ireo ny hanangona $175.000 hanatanterahany dia roa famokarana. Mikasa ny hamita ny famokarana ilay horonantsary fanadihadiana ry zareo amin'ny faran'ny 2013. Tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity, nahangona maherin'ny $21,000 izy ireo ary mbola manana 44 andro mialohan'ny hifaranan'ilay fanentanana.

Mizara ampahan-dahatsary ao amin'ny Vimeo [2] ireo mpamokatra:

Nanomboka tamin'ny 2010 ny famokarana ny “Landfill Harmonic”, taorian'ny nahitan'i Alejandra Amarilla Nash (talen'ny famokarana), sy i Juliana Penaranda-Loftus (mpamokatra) ilay ôrkesitra raha nanao fikarohana horonantsary iray momba ireo ankizy tsy ampy enti-manana any Paragoay ry zareo. Manazava [3] ny fari-piainan'ny ankizy ao Cateura ny pejy Facebook-n'ilay horonantsary:

Vohitra iray mitsangana eo amboninà fanariam-pako lehibe i Cateura, Paragoay. Mikaroka ny fako hakàna izay entana mbola azo varotana ireo mpaka fako, ary matetika ireo ankizy ahiana ho tafiditra anaty resaka rongony sy asan-jiolahy. Rehefa nanangana tetikasa fampianarana mozika ho an'ireo ankizy ao Cateura i Fabio, mpampianatra mozika, tsy ela dia nihoatra nóho ny isan'ireo zavamaneno ny isan'ny mpianatra.

Mpampiasa aterineto maro manerana izao tontolo izao no tohina raha nandre ny tantaran'ilay Ôrkesitra Voahodina. Tao amin'ny Vimeo, nizara ny fihetsehampony i Susan McGraw Keber:

Tsy ampoizina….nilatsaka ny ranomasoko…isika izay manan-javatra maro loatra sy manary entana maro loatra…ohatra iray ilaintsika rehetra jerena sy henoina ity!

Nanoratra i TheGate-Web, mpampiasa Vimeo:

Realmente conmovedor. Y pensar que la gente se queja por tantas estupideces, mientras estos muchachos, sin ningún tipo de posibilidades, tienen la voluntad y el ingenio de crear magia sacando notas celestiales a través de sus rudimentarios instrumentos. Gracias por la lección, aún nos queda mucho por aprender.

Tena mandona fo. Dia eritrereto hoe mitaraina amin-javatra maro tsy misy dikany ny olona,  raha ireto ankizy ireto kosa, na dia tsy manana fahafahana na kely aza, mitafy herimpo sy manana hakingan-tsaina hanao zavamahagaga miaraka aminà naotina mozika avy any an-danitra amin'ny alàlan'ireo zavamaneno tsotra. Misaotra anareo tamin'ny anatra, mbola marobe ny zavatra ilainay ianarana.

Paraguayan music students show their instruments made out of trash. Photo shared on Facebook by Landfill Harmonic [4]

Mampiseho ny zavamanenony vita avy amin'ny fako ireo mpianatra mozika Paragoaiana. Sary nozarain'ny Landfill Harmonic tao amin'ny Facebook

Azonao atao ny mamantatra bebe kokoa momba ilay Ôrkesitra Voahodina ao amin'ny Kickstarter [1] ary manaraka ny “Landfill Harmonic” ao amin'ny Facebook [5].