- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Niala i Liu Xiang ary Malahelo Izahay

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahasalamàna, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Lalao Olaimpika

Global Voices Olympics [1](Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny 2008)

Mikasika ny fialàn'i Liu Xiang [2] (Sinoa mpanao hazakazaka misy sakana) tampoka tamin'ny fifaninana androany, namoaka ity fanehoankevitra ity avy aminà lahatsoratra iray hafa tao amin'ny Baidu fotsiny He Caitou, ilay bilaogera mpamaly haingana:

前天晚上作了一个梦,梦见刘翔召开新闻发布会,宣布因为伤病不得已决定退出本届奥运会,并向所有关心支持自己的朋友道歉。

很奇怪的一个梦,然后第二天就看到刘翔脚伤的报道,不知道这会不会是真的。

请保留此帖,勿删,虽然我也是刘翔的粉丝,也希望他能参加并且成功卫冕。

Nanofy aho tamin'ny afak'omaly fa nanao tafatafa an-gazety i Liu Xiang, nilaza fa noho ny ratra nahazo azy, tsy manan-tsafidy afa tsy ny hiala amin'ny Lalao Olaimpika izy ary miala tsiny manoloana ny mpanohana azy sy ny namany rehetra.

Nofy tena hafahafa be, fa avy eo nahita tatitra mikasika ny ratra nahazo ny tongotr'i Liu Xiang aho ny andro taorian'iny, ary tsy haiko raha tena marina izy ireny.

Mba tahirizo ity fanehoankevitra izy, aza fafana. Mpankafy an'i Liu Xiang koa aho, ary manantena ny hahita azy hifaninana sy hiaro tsara ny maha tompondaka azy.