(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2010)
Nanombana [1] ny olona iray tamin'ity herinandro ity fa raha tokony ho voasakana, mbola manana mpampiasana mavitrika eo anelanelan'ny 26.000 sy 30.000 ao Shina ny Twitter.
Rehefa nanambara ny Google fa tena naverina noeritreretina lalina tsara ny fisiany any Shina, nanomboka nanadihady [2] tao amin'ny Twitter mikasika ny hevitr'ireo mpampiasa aterineto momba ny mety ho fialàn'ny Google ao Shina ny blaogera Dupola [3] . Mbola am-periny foana ilay fanadihadiana, saingy fotsiny rnamoaka famintinana [4] an'ireo valiny azo tamin'ny 15 Janoary i Dupola:
注:除“你的身份是?”以外,其他均为多选题,所以比例可能看起来有点奇怪。格式为:选项 — 票数 — 图表。
你的身份是?
中国人在中国 — 420 — 93%
中国人在外国 — 3 — 1%
其他 — 30 — 6%
Shinoa ao Shina – 420 – 93%
Shinoa any am-pitandranomasina – 3 – 1%
Hafa – 30 -6%
如 Google 退出中国,你的态度是?
抱歉,这项没统计分析。
Miala tsiny indrindra, mbola mila angonina ny valin'ity fanontaniana ity
你认为 Google 此举是?
坚守自己“不作恶”的底线 — 384
商业策略失败,败走中国 — 44
一定是炒作 — 9
看不懂唉 — 67
Manohana ny fampanantenany amin'ny ”aza ratsy saina” – 384
Tsy fahombiazan'ny stratejia ara-barotrany, mamela an'i Shina ho resy – 44
Hafetsehana amin'ny fampiroboroboana – 9
Tsy manan-kevitra – 67
如 Google 退出中国,你将会…?
用百度等国货 — 24
用Bing/Yahoo等外国货 — 73
翻墙 Google — 397
呼吁中国政府放宽审查,呼吁Google重返中国 — 206
Hampiasa ny Baidu sy ireo tolotra maro hafa eo an-toerana – 24
Hampiasa ny Bing/Yahoo ary tolotra vahiny hafa – 73
Handingana ilay sivana ary hampiasa ny Google.com – 397
Hangataka amin'ny governemanta Shinoa mba hanalefaka ilay sivana ary hiantso ny Google hiverina ao Shina – 206
对此,你认为中国政府是否应该负责?
很明显,应当负全责 — 373
不好说,可能 Google 不够强大或者沟通出问题了 — 82
当然不,中国政府无须负责 — 5
Mazava ho azy, tokony handray ny andraikitra feno manoloana izany izy – 373
Sarotra ny hilaza izany, tokony mba tsy nanao an-tery be loatra ny Google na mba nahay nifampiresaka tsara – 82
Mazava ho azy fa tsia, tsy misy idiran'ny governemanta Shinoa izany – 5
你认为此事会对其他在华外企构成什么影响?
无影响,照旧 — 144
坚守自己的商业道德底线 — 123
重新审视自己的道德操守并努力执行 — 211
干脆退出中国 — 73
Tsy misy, hitohy toy ny mahazatra ny zava-drehetra – 144
Hitazona ny tsipika ambany amin'ny fitsipi-pitondratenany ara-barotra izy ireo – 123
Hanadihady ny fahamarinan-toetrany ara-moraly izy ireo ary hiezaka amin'ny fampanajana izany – 211
Hiala ao Shina tsotra izao izy ireo – 73
你认为此事会对中国企业有何影响?
无意识,照旧 — 219
无影响,照旧,外加鄙视Google总部 — 106
重新审视自己的道德操守并努力执行 — 83
有意识有努力,苟延残喘 — 140
Tsy fahampiana fahatongavan-tsaina, hitohy toy ny mahazatra ny zava-drehetra – 219
Tsy misy, hitohy toy ny mahazatra ny zava-drehetra, sady ankoatra izany, hanebaka ny biraon'ny Google izy ireo – 106
Hanadihady ny fahamarinan-toetrany ara-moraly izy ireo ary hiezaka amin'ny fampanajana izany – 83
Fantany izany ary manao ezaka toy izany izy ireo, miady ho an'ny fivelomany – 140
Manampy i Dupola fa raha toa ka singa kely iray amin'ny vahoaka Shinoa an-tambajotra ireo mpampiasa Twitter ary ampahany iray amin'izany ihany no asehon'ity fanadihadiana ity, tsara noho ny tsy misy izany.
Afaka jerena ao amin'ny http://u.dupola.net/19 [5] ilay fanadihadiana am-pandehanana
Afaka jerena ao amin'ny http://dupola.net/post/337 [6] ireo valiny farany
Afaka alaina amin'ny endrika XLS [7] na PDF [8] ihany koa ilay famintinana statistika.
Araka ilay fanadihadiana, maneho hevitra [9]ny mpampiasa Twitter @xdp1999:
这个统计结果提示在互联网上人们趋向于与自己观点相近的群体。
Ho an'ny jery bebe kokoa ao amin'ny Google, jereo ny lahatsoratr'i Key ao amin'ny ChinaHush [10], ‘Manao veloma an'ny Google miaraka amin'ny doodles Googles ireo Shinoa mpampiasa aterineto
[10]”Izany hafaliantsika eh. Ny mba manana namana avy lavitra!” – Confucius