Shina: Fanadihadiana Twitter mikasika ny fialan'ny Google

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2010)

Nanombana ny olona iray tamin'ity herinandro ity fa raha tokony ho voasakana, mbola manana mpampiasana mavitrika eo anelanelan'ny 26.000 sy 30.000 ao Shina ny Twitter.

Rehefa nanambara ny Google fa tena naverina noeritreretina lalina tsara ny fisiany any Shina, nanomboka nanadihady tao amin'ny Twitter mikasika ny hevitr'ireo mpampiasa aterineto momba ny mety ho fialàn'ny Google ao Shina ny blaogera Dupola . Mbola am-periny foana ilay fanadihadiana, saingy fotsiny rnamoaka famintinana an'ireo valiny azo tamin'ny 15 Janoary i Dupola:

注:除“你的身份是?”以外,其他均为多选题,所以比例可能看起来有点奇怪。格式为:选项 — 票数 — 图表。

Fanamarihana: Ankoatra ny ”Mihevi-tena ho toy ny… ianao?”, fanontaniana samy manome safidy maro avokoa ireo hafa, izay mety ho antony mahatonga ny taha toa ho somary mihemotra kely. Ity ny endrik'ireo valiny: valiny – fàfana – taotsarintany.

你的身份是?
中国人在中国 — 420 — 93%
中国人在外国 — 3 — 1%
其他 — 30 — 6%

Toy izao no fihevitrao ny tenanao:
Shinoa ao Shina – 420 – 93%
Shinoa any am-pitandranomasina – 3 – 1%
Hafa – 30 -6%

googlequitchina_repot_1

如 Google 退出中国,你的态度是?
抱歉,这项没统计分析。

Raha toa ka miala ao Shina ny Google, toy izao ny fihetsikao:
Miala tsiny indrindra, mbola mila angonina ny valin'ity fanontaniana ity

你认为 Google 此举是?
坚守自己“不作恶”的底线 — 384
商业策略失败,败走中国 — 44
一定是炒作 — 9
看不懂唉 — 67

Toy izao no fahitanao ity hetsiky ny Google ity:
Manohana ny fampanantenany amin'ny ”aza ratsy saina” – 384
Tsy fahombiazan'ny stratejia ara-barotrany, mamela an'i Shina ho resy – 44
Hafetsehana amin'ny fampiroboroboana – 9
Tsy manan-kevitra – 67

googlequitchina_repot_3

如 Google 退出中国,你将会…?
用百度等国货 — 24
用Bing/Yahoo等外国货 — 73
翻墙 Google — 397
呼吁中国政府放宽审查,呼吁Google重返中国 — 206

Raha toa ka miala ao Shina ny Google, hanao izao ianao…
Hampiasa ny Baidu sy ireo tolotra maro hafa eo an-toerana  – 24
Hampiasa ny Bing/Yahoo ary tolotra vahiny hafa – 73
Handingana ilay sivana ary hampiasa ny Google.com – 397
Hangataka amin'ny governemanta Shinoa mba hanalefaka ilay sivana ary hiantso ny Google hiverina ao Shina – 206

googlequitchina_repot_4

对此,你认为中国政府是否应该负责?
很明显,应当负全责 — 373
不好说,可能 Google 不够强大或者沟通出问题了 — 82
当然不,中国政府无须负责 — 5

Araka ny fijerinao, tokony handray andraikitra amin'izany ve ny governemanta Shinoa?
Mazava ho azy, tokony handray ny andraikitra feno manoloana izany izy – 373
Sarotra ny hilaza izany, tokony mba tsy nanao an-tery be loatra ny Google na mba nahay nifampiresaka tsara – 82
Mazava ho azy fa tsia, tsy misy idiran'ny governemanta Shinoa izany – 5
googlequitchina_repot_5

你认为此事会对其他在华外企构成什么影响?
无影响,照旧 — 144
坚守自己的商业道德底线 — 123
重新审视自己的道德操守并努力执行 — 211
干脆退出中国 — 73

Inona no fiantraikany tsapanao fa hisy eo amin'ireo orinasa vahiny miasa ao Shina?
Tsy misy, hitohy toy ny mahazatra ny zava-drehetra – 144
Hitazona ny tsipika ambany amin'ny fitsipi-pitondratenany ara-barotra izy ireo – 123
Hanadihady ny fahamarinan-toetrany ara-moraly izy ireo ary hiezaka amin'ny fampanajana izany – 211
Hiala ao Shina tsotra izao izy ireo – 73
googlequitchina_repot_6

你认为此事会对中国企业有何影响?
无意识,照旧 — 219
无影响,照旧,外加鄙视Google总部 — 106
重新审视自己的道德操守并努力执行 — 83
有意识有努力,苟延残喘 — 140

Inona no eritreretinao fa ho fiantraikan'izy ireo amin'ireo orinasa Shinoa?
Tsy fahampiana fahatongavan-tsaina, hitohy toy ny mahazatra ny zava-drehetra – 219
Tsy misy, hitohy toy ny mahazatra ny zava-drehetra, sady ankoatra izany, hanebaka ny biraon'ny Google izy ireo – 106
Hanadihady ny fahamarinan-toetrany ara-moraly izy ireo ary hiezaka amin'ny fampanajana izany – 83
Fantany izany ary manao ezaka toy izany izy ireo, miady ho an'ny fivelomany – 140
googlequitchina_repot_7

Manampy i Dupola fa raha toa ka singa kely iray amin'ny vahoaka Shinoa an-tambajotra ireo mpampiasa Twitter ary ampahany iray amin'izany ihany no asehon'ity fanadihadiana ity, tsara noho ny tsy misy izany.

Afaka jerena ao amin'ny http://u.dupola.net/19 ilay fanadihadiana am-pandehanana
Afaka jerena ao amin'ny http://dupola.net/post/337 ireo valiny farany
Afaka alaina amin'ny endrika XLS na PDF ihany koa ilay famintinana statistika.

Araka ilay fanadihadiana, maneho hevitra ny mpampiasa Twitter @xdp1999:

这个统计结果提示在互联网上人们趋向于与自己观点相近的群体。

Mampiseho ireo valiny ireo fa mirona amin'ny firaiketana amin'ny olona hafa mitovy fomba fijery aminy ireo mpampiasa Aterineto amin'ny maha vondrona azy.

Ho an'ny jery bebe kokoa ao amin'ny Google, jereo ny lahatsoratr'i Key ao amin'ny ChinaHush, ‘Manao veloma an'ny Google miaraka amin'ny doodles Googles ireo Shinoa mpampiasa aterineto
confuciusgoogle011”Izany hafaliantsika eh. Ny mba manana namana avy lavitra!” – Confucius

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.