Shina: Tolo-kevitra momba ny fanavaozana ara-barotra mialohan'ny fivoriana ara-politika isan-taona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2010)

Raha manomboka androany ny Lianghui atao isan-taona ao Shina, feno tolokevitra maroloko indrindra izay iadian-kevitra mandritra ireo andro manaraka ny resaka an-tambajotra , toy ny avy amin'ny mpikambana ao amin'ny blaogy CPPCC Zhang Xiaomei izay maniry ireo lehilahy manambady (ambany fifanarahana?) mba hanome vola ny vadiny ho tambin'ny fanaovana  raharaha an-tokantrano. Nifantohan'ny lahatsoratra am-blaogy maro ny fiovaovan'ny tsena izay tokony hanaraka ny fivoriana ara-politika.

Nanangona lahatsoratra maro avy amin'ny gazetim-panjakana Sinoa mikasika ity andiana fivoriana ity ny lahatsoratra iray ao amin'ny blaogy WordPress an'i Cricketdiane.

Ary na dia i Wang Xiaoya, olo-malazan'ny CCTV aza no blaogera tsy azo ialàna ho an'ny vaovao anatiny nandritra ireo Lianghui maro teo aloha, tamin'ity taona ity, toa nanakalo ny fitorahana blaogy tamin'ny fivoriana izy noho ny tetikasa iray niarahany tamin'i Sohu izay mikendry ny hamaly ireo fanontaniana sy fomba fijery eo amin'ny sehatra fitoraham-blaogy bitika an'ilay orinasa Aterineto.

Tonga ny hetsik'i Wang satria maro noho ny mahazatra ireo solontena mitoraka blaogy eny an-dalan-dry zareo ho any amin'ireo fivoriana. Atomboka amin'i Feng Jun, ilay Shinoa blaogera tia tanindrazana sady Tale Jeneraly ( an'ny aigo electronics), izay nanapa-kevitra tamin'ny voalohan'ny volana Martsa ny hanome topimaso kely mikasika ny tolokeviny ho an'ireo mpamaky:

“两会”即将召开,作为政协委员,我最近尝试通过微博征求大家的建设性意见,看到那么多畅所欲言的建议很感动,也感谢大伙对我的信任!在这里提前给大家透露一下,此次两会我提案的核心将放在“如何进一步促进民族品牌自主创新”方面。

Miaraka amin'ny Lianghui izay efa hanomboka, amin'ny maha solontenan'ny CPPCC ahy, niezaka ny hanangona amin'ny alalan'ny microblog ireo hevitra azo anarenana avy amin'ny olona aho. Tena niontam-po aho tamin'ny fahitana ireo olona rehetra naniry ny hiresaka malalaka mikasika ireo tolokeviny, ary tena feno fankasitrahana aho hoe matoky ahy ianareo rehetra! Noho izany, ankehitriny, te-hanome topimaso kely ho an'ny rehetra aho ary hanambara fa mifototra amin'ny ”fomba fampiroboroboana ny fizakantena mitondra zavabaovao amin'ny resaka stratejia nasionaly ny tolokevitro amin'ny Lianghui”

三十年河东,三十年河西,知道的朋友应该理解,2010年将是中华民族从自信走向自豪的最关键的元年。2008年的奥运会和建国60周年庆典成功举办,尤其在全球经济危机的环境下,我们2009年的 GDP依然实现了8.7%的高增长,可以说现在咱们全民族的自信心和团队精神达都到了一个全新的高度。而且去年年底,国家领导人也正是号召要从“中国制造”转向“中国创造”,现在从天时地利人和来讲,现在是条件最好的。后续我会把提案的详细内容发上来,里面会涉及到舆论、知识产权、走出去等多个方面,欢迎各位网友多提意见,共同为中国的自主创新建言献策。

 Telopolo taona tany Andrefan'ilay ony, telopolo taona tany Atsinanana; tokony hahatakatra ireo olona miombon-kevitra fa 2010 no taona hifindran'ny firenena Shinoa avy any amin'ny fahatokisana mankany amin'ny fireharehana. Miaraka amin'ilay fikarakarana nahomby ny Lalao Olaimpika sy ny fitsingerenan'ny faha-60 taonan'ny PRC tamin'ny 2008, indrindra noho ny krizy ara-toekarena manerantany amin'izao fotoana izao, sy ny fitazonana ny Harin-Karena Faobentsika amin'ny fitomboana tsy mijanona 8.7% nandritra ny taona 2009, afaka manamarina ianareo fa nahatratra ny fara-tampony ny fahatokisana sy ny firaisankinan'ny firenentsika manontolo. Ankoatra izany, tany amin'ny fiafaran'ny taona lasa, nanao antso mba hialana amin'ny ”vita shinoa” hankany amin'ny ”namboarina tany Shina” ny mpitondra nasionalintsika. Ankehitriny, noho ireo fepetra ahitan-tsoa ireo ary koa ny fanohanan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny, tonga ny fotoantsika. Havoakako manaraka eto ireo votoatin'ny tolokevitro, izay hiresaka mikasika ny resaka, fananana ara-tsaina, manerana izao tontolo izao ary lafiny hafa. Mandray ny fomba fijerin'ny mpampiasa aterineto rehetra aho. Miaraka, hamolavola tolokevitra ho an'ny fizakantena mpanavao an'i Shina isika.

Mivaky toy izao ny voalohany amin'ireo fanehoankevitra 100 ao amin'ny lahatsoratr'i Feng:

啥时候发文章发回复不被审核不被删了.中国创造才有戏.审核是创新的死敌.电影要审核,游戏要审核,网站要审核,连发个回复都要审核.还创新个屁

Rehefa afaka mamoaka lahatsoratra am-blaogy na mamela fanehoankevitra tsy mila fahazoandalana na mety ho famafàna isika, dia mety hanana vintana ihany ny ‘namboarina tany shina’. Ny sivana no fahavalo mamono ny fanavaozana. Mila fankatoavana ny sarimihetsika, mila fankatoavana ny kilalao amin'ny solosaina, mila fankatoavana ny tranonkala, na ny fandefasana fanehoankevitra aza dia mbola mila fankatoavana ihany. Fanavaozana re ry fitombenako e.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.