- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mametraka “Tsangambato” ho an'ireo Fanafody Fampitoniana Ao Skopje ireo Mpanakanto Tsy Mitonona Anarana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bolgaria, Bosnia Herzegovina, Kroasia, Makedonia, Serbia, Fahalalahàna miteny, Fahasalamàna, Fanoherana, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2016 ity lahatsoratra ity)

Monument to Diazepam in Skopje, Macedonia. Photo by F. Stojanovski CC BY. [1]

Tsangambato maneho ny Diazepam ao Skopje, Masedonia. Sary: F.Stojanovski. CC BY 3.0.

Nisy sary sokitra hafakely nipoitra tao Skopje, renivohitr'i Masedonia, ny 9 martsa: tsangambato ho an'ilay fanafody fampitoniana [2]Diazepam [3] (fantatra ihany koa amin'ny anarany hoe Valium).

Miendrika pilina 1,4 metatra amin'ny halavana ary miloko volomboasary ilay tsangambato. Napetraka teo akaikinà arabe iray [4] izy io, miaraka amin'ity fanazavàna manaraka ity:

Потрошувачката на антидепресиви последните две години е зголемен на над 1,6 милиони реализирани рецепти (најмалку 2,5 милиони пакувања), покажуваат податоците на Фондот за здравствено осигурување.
Претпоставките се дека во 2015 бројот на реализирани рецепти ја надминал бројката од 2 или 3 милиони пакување.

Во случај на нужда одгризи парче од апчето.
Еден гриз соодејствува на 2 mg од апчето – скулптура.

Mampiseho ny rakitra azo avy amin'ny Tahirim-bolam-panjakana ho an'ny Fahasalamana fa nitombo ho 1,6 tapitrisa ireo taratasim-panafody nekena (fonosana 2,5 tapitrisa fara-fahakeliny) amin'ny fihinanana fanafody fampitoniana tato anatin'ny roa taona. Maherin'ny fonosana 2-3 tapitrisa ireo taratasim-panafody tombanana ho nampiasaina tamin'ny 2015.

Raha ilaina maika, kakero ny ampahan'ilay pilina.
2 mg amin'ilay tsangambato ny kaikitra iray.

Miaraka aminà mponina latsaky ny 2 tapitrisa mipetraka ao Masedonia, manahy ireo mpikatroka mafana fo fa maneho fiakaran'ny “fianteherana amin'ny pilina [5]” ity fiakaran'ny fampiasan'ny firenena fanafody fampitoniana ity, izay lazain-dry zareo fa miseho ihany koa any Bosnia sy Herzegovina [6], Serbia [7], ary Bolgaria. Tamin'ny 2014, nampitandrina [8] ny Tahirim-bolam-panjakana ho an'ny Fahasalamana fa mety hanapoizina ny fandraisana io fanafody io mihoatra nóho ny tokony ho izy, indrindra mandritra ny fitondrana vohoka. Asehon'ny tatitra farany nataon'io Tahirim-bola io [9], izay navoaka tamin'ny Desambra 2015, fa fanafody faharoa be mpanome indrindra anatin'ny taratasim-panafody ny Diazepam teo anelanelan'ny Janoary sy Jona tamin'ny taon-dasa.

List of most prescribed medicines in Macedonia from January to June 2015, published as part of Health Insurance Fund report from December 2015. [9]

Lisitr'ireo fanafody be mpanome indrindra tao Masedonia teo anelanelan'ny Janoary sy Jona 2015, navoaka ho isan'ny tatitra isaky ny enim-bolana [9] fanaon'ny Tahirim-bolam-panjakana ho an'ny Fahasalamana tamin'ny Desambra 2015. Mitana ny laharana faharoa ny Diazepam, mipetraka eo anelanelan'ny Enalapril [10] sy ny Lisinopril [11], izay ampiasaina amin'ny fitsaboana aretim-po.

Nitarika adihevitra pôlitika tao anaty aterineto io “tsangambato” io. Ohatra, nihanihany ny mpampiasa Twitter iray fa hisy herisetra hiseho eny an-dàlana raha tsy mahazo ny fanafody fampitoniana azy ny olona.

Tapaho mandritra ny iray volana ny famatsiana Diazepam, ary hanomboka hanidina ny cocktails Molotov [13].

Nilaza an-kolaka i Zaneta Skerlev, mpampiasa Twitter iray hafa, fa ny adin-tsaina ateraky ny fanapahankevitra ratsy ataon'ny governemanta no mahatonga ny olona ao Masedonia hitodi-doha amin'ny fanafody fampitoniana, izay ampifandraisiny aminà tantara iray momba ilay tsangambato:

Antenaiko fa handray am-po an'ity ny governemanta. Nipoitra tao Skopje ny “Tsangambato ho an'ny Diazapeam”.

Raha toa ka tsy nisy nitonona ho nametraka ilay Diazepam, ny azo eritreretina indrindra dia ny vondronà mpanakanto mpikatroka anaty akata fanta-daza ao an-toerana.

Ilay “Sekoly” ao Skopje misahana ny Haikanto Fikatrohana Anaty Akata

Tanatin'ny taona vitsy izay, foiben'ny fandaniam-bolam-panjakana goavana i Skopje tamin'ny alalanà tetikasa iray antsoina hoe “Skopje 2014 [17],” izay nanomboka tamin'ny 2010 [18]. Naboraky ny [19] Tambajotran'ireo Balkan Mpitatibaovao Mpanadihady fa nandoa € 634 tapitrisa [20] ($ 698 tapitrisa) tanatinà “zavatra” 136 samy hafa (birao fitantanan-draharaha 27, isan'izany ny Vavahadin'ny Fandresena [21] iray, tsangambato 34, kianja 5, Kodiarana Lehibe, ary rindrina vaovao [22]) ireo mpandoa hetra ao Masedonia (iray amin'ireo firenena mahantra indrindra ao Eoropa).

Faly tanteraka tamin'ireo “tetikasa fanatsaràna [23]” notarihan'ny Praiminisitra sy i Nikola Gruevski, deban'ny antoko mpitondra, ny biraon'ny kolontsaina ao Masedonia, satria nisy karazanà tsolitra sy sivana “nanafoana ireo feo manakiana” [24] teo amin'ny haikanto tranainy Masedoniana.

Nifanila tamin'izay, nampiasa tetikasa mamatsy tena mba hamoahany ny heviny manoloana ny olana misy tato ho ato ny hetsika “mpikatroka anaty akata” ataon'ireo mpanakanto tsy miankina sy tsy mitonona anarana. Mampiasa singanà haikanto mifono hevitra apetraka eny amin'ny toerana natao ho an'ny daholobe io hetsika io ho endri-panoherana. Fohy andro iainana ireo zavakanto ireo, satria matetika dia tsy ela ny amotehan'ny manampahefana azy ireny.

Ohatra, tamin'ny Skopje 2014, nanaiky ny hananganana tranobe efatra miendrika sambo apetraka any amin'ny reniranon'i Vardar eo afovoan'i Skopje ny fanjakana. Tsy nanome fanambarana ofisialy mihitsy ny amin'ny antony nampidirany izany tao anatin'ireo drafitra famaritam-paritra  [25]ny tanàna, na koa nanazava ny fifandraisan'izy ireo amin'ny fomban-drazana sy ny tantara ao an-toerana. Tsy afaka nandehanana an-tsambo mihitsy ilay renirano, ary 240 kilometatra miala avy eo ny ranomasina akaiky indrindra. Amin'ny alàlan'ireo famatsiam-bola nomen'ny mpandoa hetra [26], mampiasa ireo fananana ireo hitantanana trano fisakafoana raitra dia raitra [27] ireo mpandraharaha mifandray amin'ny governemanta.

Nandritra ny andro iray nigaingaina tamin'ny volana Aogositra 2015, nahatsikaritra vombon'antsantsa nanodidina ny “sambolain'ny jiolahin-tsambo” ny mponina.

Teo amin'ny 200.000 ireo mpijery voasarik'io lahatsary YouTube [28] io tanatin'ny iray andro. Androany, maherin'ny 260.000 izany. Ho valin'io lahatsary io, nandefa haingana ny brigady mpamono afo ny governemantan'ny tanànan'i Skopje. Nitety [29] ilay renirano mihitsy ny lohan'ny mpamono afo hiezahany hanala ireo antsantsa. Raha nanakatra ilay trondro iny anefa izy, dia hitany fa tsy tena izy ireto farany: “Polystyrène” nafatotra taminà vatokely mba tsy hihetsiketsika ao anaty rano izy ireo.

[30]

Hazo miendrika olona tandidomin-doza ao Skopje, toa matahotra. Sary: a1on.mk

Mitovitovy amin'izay ihany, nanohitra ny fahaverezan'ny tontolo maitso ao amin'ny tanàna ireo mpikatroka mafana fo, satria mihamaro ireo hazo tapahina hanamboarana fotodrafitrasa vaovao. Nanampy “maso” ny sasany tamin'ireo hazo tao an-tanàndehibe ireo mpanakanto, mahatonga azy ireo hiendrika olona matahotra [30].