Shina: Mametraka an-tsarintany ireo fandroahana mahery vaika mba hampatsiarovan-tena ireo mpividy trano

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2010)

Ny Google Maps, fa tsy Ushahidi na Map World, no ampiasan'ny mpikatroka iray ao amin'ny Bloody Map (Sarintany mihoson-drà), izay manome vaovao mikasika ireo fandroahana an-tery manerana ny firenena ka ireo ampozina fa ho mpividy trano no olona kendreny amin'izany :


在较大的地图中查看血房地图开放版

Bloody Map, araka ny fanolorana Wikipedia momba azy:

记录下近年来层出不穷的暴力拆迁案件,提醒人们,拒绝购买在非法、反人性的基础上建造起来的新房

Mandrakitra ireo trangana fandroahana mahery setra tsy nisy farany nandritra izay taona maro lasa izay ary mampahatsiahy antsika mba handà tsy hividy trano vaovao namboarina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna sy tsy nijerena ny maha olona

Nanana fanolorana fohy tao amin'ny Baidu Baike ihany koa ny Bloody Map, izay mivaky toy izao:

在地图上可以看到,迄今为止,这一地图已经被网友浏览了七万余次,而标注的血拆事件也达到了82起,覆盖了从上海到新疆、从黑龙江到广西的全国大多数区域,其中大多数暴力拆迁事件集中在东部沿海地区。唐福珍拆迁自焚、江西宜黄拆迁自焚、呼和浩特拆迁通知附带子弹、广西北海白虎头村强拆等轰动一时的案例在血房地图上都有标注,不过记者也发现,地图上也有一些并不准确的信息,例如发生在成都的唐福珍拆迁自焚案在地图上却被标注到了湖北荆门。

“因为网友可以自由更改地图,所以难免会产生小差错,发现错误网友也可以改正。”地图创建者“血房地图”对南都记者说。

Araka ny hitanao, efa voatsidiky ny mpampiasa aterineto in-70.000 mihoatra ity sarintany ity, hatramin'izao fotoana izao, ary trangana fandroahana mihoson-drà mihoatra ny 82 no efa voarakitra, mandrakotra faritra manerana ny firenena, avy any Shanghai mankany Xinjiang, avy any Heilongjiang mankany Guangzhou. Ohatra vitsivitsy amin'ireo tranga malaza izay voamarika tao amin'ilay sarintany ilay trangana fandoroana tena tao Kang Fuzhen, fandroahana sy fandoroana tena an'i Yihuang tany Jiangxi, ny taratasy fandroahana narahana bala tany Hohhot, ny fandroahana an-tery tany Hutou tao Beihai an'i Guangxi . Na izany aza, nahatsapa ireo mpanao gazety fa nisy vaovao sasany diso hita tao anatin'ilay sarintany, toy ny trangana fandroahana/fandoroana tena tao Tang Fuzhen izay nitranga tany Chengdu, nefa natsatoka ho toy ny hoe nitranga tany Jingmen ao Hubei.

”Sarotra ny misoroka ireo hadisoana kely sasantsasany satria afaka manova ilay sarintany amin-kahalalahana ireo mpampiasa aterineto, na dia afaka manova aza ireo mpampiasa aterineto mahita izany,” hoy ny mpamorona ny ”Bloddy Map” tamin'ny mpitatitra vaovao avy amin'ny Southern Metropolis Daily.

Tena navitrika be tao amin’ny kaonty iray microblog Sina izay nosokafana tamin'ny 8 Oktobra ny mpamorona ny Bloddy Map, manasongadina vaovao mikasika ireo fandroahana ary mifandray amin'ireo mpampiasa, izay ny sasany amin'izy ireo no vavolombelona amin'ny tetikasana fandroahana amin'izao fotoana izao; mivaky toy izany ny fanavaozana roa tamin'ny 9 Oktrobra:

“血房地图的目的,在于将那些已经,或将要淡出公众视野的暴力拆迁案收集整理,一些两三年以前发生的事件,单凭我一己之力不容易找到,但有了你们的支持会容易很多。那些带血的土地上,新房正在销售,你懂的。”

”Manangona ary mandamina ireo trangana fandroahana mahery setra izay efa nanjavona na hanjavona amin'ny mason'ny vahoaka no tanjon'ny Bloody Map; efa tamin'ny 2-3 taona lasa ny sasany amin'ireo tranga izay tsy maintsy nosokiriko, nefa miaraka amin'ny fanohananareo, ho mora kokoa izany. Rehefa milaza aho fa andalam-pitsanganana eny amin'ny tany feno rà ny trano fonenana vaovao, fantatry ny olona ny tiako ho lazaina.

一些正在发生的强拆案件,需要引起更多的媒体关注,血房地图并不是一个适合的平台。不能指望这样的方式能够引起关注阻止当下的强拆。这个平台的目的,是为消费者提供选择依据。如果有一天,这份小小的地图能让某个拆迁利益链上的人对他们的行为方式有所顾及,目的就达到了。

Misy ny fandroahana an-tery mitranga amin'izao fotoana izao izay ilàna fifantohana bebe kokoa avy amin'ny haino aman-jery, tsy sehatra tena mifanaraka amin'izany tanjona izany ny Bloody Map. Tsy vitan'ny olona ny hiandry ezaka toy izany mba hiteraka fifantohana sahaza ho fanatsaharana ireo fandroahana an-tery mitranga ankehitriny. Ny hanolotra porofo hahatonga ireo mpanjifa handray fanapahankevitra no tanjon'ity tranonkala ity. Raha toa ka indray andro any, hahavita hanetsika an'ireo olona voasaringotra tamin'ilay fandroahana manokana mba hamerina handinika mikasika ny hetsiny ity sarintany kely ity, dia hahatratra ny tanjony izy amin'izay fotoana izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.