- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Manonofy Bahrain Tsara kokoa ireo Mpampiasa Twitter

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2011 ity lahatsoratra ity)

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ireo Hetsipanoherana Bahrain 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

Ny Sabotsy maraina teo, nisy tenifototra vaovao nipoitra tao amin'ny tontolon'ny Twitter tao Bahrain ary mpampiasa Twitter maro no naneho ny fanantenany, ny nofinofiny ary nanazava ny fangatahany tamin'ny alàlan'ny #IdreamofaBH. Raha ny momba ny fiavian'ilay tenifototra kosa dia manazava izany i @Bahrainman [2]:

@BahrainMan [3]nanomboka tamin'ny fanaovan'i @maryamalkhawaja [4] tabataba irery izany. Avy eo nasain'i @UmFahad [5] nanao izay afany ireo marani-tsaina & namorona ny #idreamofabh

.. ary manampy i @ehsankooheji [6]:

@ehsankooheji [7] tenifototra (#IdreamofaBH) ankehitriny avy amin'i @Umfahad niainga tamin'ireo valintenin'i @RashidAlghatam [8] tamin'ny fanambarana nataon'i @maryamalkhawaja  samirery omaly

Lasa nalaza be ilay tenifototra no sady velona miaraka aminà hevitra maro avy amin'ilay mpiondana pôlitika (na manohitra na momba ny fitondrana), ilay mahatsikaiky, ilay mampalahelo ka hatrany amin'ilay mpiondana tsotra:

@Umfahad [9] #idreamofaBH (manonofy Bahrain iray aho) izay tsy anontanian'ny olona ny mety azon'ny fireneny hatao aminy fa kosa izay azony atao ho an'ny fireneny. #JFK #Bahrain

@iLandBahrain [10] #idreamofaBH izay hamakian'ny olona sy hahatakarany ireo boky mirakitra ny tantara – fa tsy fandaharana amin'ny Blackberry sy fizaràna mailaka

@eyade [11] #IdreamofaBH izay tsy amonoan'ny pôlitika ny finamanana.

@Naddooya [12] #IdreamofaBH izay tsy hanivanana ny aterineto..

@mohamedwaqqas [13] #IdreamofaBH izay tsy hisian'ny pôlitikafiabtrsikany eo amin'ny fahalalahana ara-pinoana ary tsy hisian'ny finoana kosa akony eo amin'ny fahalalahana ara-pôlitika sy an'ny tena manokana

@Princessssss [14] #IdreamofaBH izay mankalaza ny fahasamihafany

@lamya06 [15] #idreamofaBH izay tsy ilànao mieritreritra ny làlambe tokony raisina mialohan'ny hivoahana ary boribory fihodinana malalaka

@Moayyed [16] #IdreamofaBH izay tsy hanisy olana raha tsy ny anarako faharoa no fanampin'anarako.

@salehnass [17] #IdreamofaBH izay tsy mitovy amin'ilay dokambarotry ny Infinity nahatsiravina [18].

@Naddooya [19] #IdreamofaBH izay toerana ahazoana Wifi avokoa… tsaratsara kokoa raha maimaimpoana! Azo atao izany raha jerena amin'ny habeny..

@emoodz [20] #idreamofaBH izay hanomezana asa ny olompirenena arakaraka ny fahamendrehany sy ny filàny, fa tsy noho ny baikon'ny mpanjaka.. #bahrain #lulu

@nader27 [21] #idreamofaBH manana morontsiraka natoraly 1 ho an'ny daholobe (fa tsy misy tompony)

@reemkhalifa17 [22] #IdreamofaBH izay maha olona afaka an'ireo Bahraini,,,Feo malalaka #Feb14#Bahrain

"The Pearl of Freedom" uploaded by Twitpic user @aljamsee [23]

“Ilay Vakan'ny Fahafahana” nampiakarin'ny mpampiasa Twitpic, @aljamsee

@Hamda125 [24] #IdreamofaBH lavitry ny Alikaola sy ny kolikoly.

@waleedsarwani [25] #IDreamofaBH lavitry ny mpitroka rà, ny bibiolona, ny lolo vokatra

@TheCbLive [26] #IdreamofaBH izay tena andehanan'ny #iPad2ForCbsBirthdayCampaign

@RashidAlghatam [27] Manonofy #bahrain aho izay ahatsapan'ny olompirenena ny adidiny mba hanatsaràna ny lanjan'ny toekarena fa tsy ny pejy facebook-ny!

@tweetsterBRN [28] #IdreamofaBH izay isianà Adihevitra sahady ary tsy iainako anatin'ny fatoran'ny fihenjanana sy ny hakiviana!!!

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ireo Hetsipanoherana Bahrain 2011 [1] ity lahatsoratra ity.