- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Misondrotra Saingy Mahatsiaro Ho Mihiboka

Sokajy: Azia Atsinanana, Etazonia, Filipina, Japana, Korea Atsimo, Korea Avaratra, Myanmar (Birmania), Shina, Taiwan (ROC), Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2011)

Iray volana sahady izay hatramin'ny nanoratan'ilay Sekreteram-Panjakana Amerikàna Hillary Clinton hoe efa ifantohan'ny politika ivelany ara- [1]diplaomatika, ara-toekarena ary ara-stratejikan'ny fireneny [1] i Azia ankehitriny, izay sady midika fahamarinantoerana sy tsy fihozongozonana [2] ho an'ilay faritra, miankina indrindra amin'ny fomba fivoaran'ny fifandraisana eo amin'i Shina sy Etazonia raha toa ka samy mianatra mizara [3] ny sehatra jeopolitika mitovy ireo firenena roa ireo.

Any shina, mbola maneno be toy ny tetidratsy famefena [4]izany, zavatra noresahin'i Zheng Yongnian [5], lehiben'ny Ivontoeran'i Azia Atsinanana ao amin'ny Oniversite Naisonalin'i Singapaoro, tao amin'ity lahatsoratra am-blaogy [6] [zh] tamin'ny herinandro lasa teo ity, izay ahitana sombiny tamin'ny bokiny farany [7] [zh], tokony hivoaka amin'ity volana ity, mitondra ny lohateny hoe ‘‘Ny Lalana Mankany Amin'ny Fahefana Goavana: I Shina sy ny Fanavaozana Ny Rafitra Manerantany,” (通往大国之路:中国与世界秩序的重塑):

中国的地缘政治非常特殊。中国周边有21个国家(与中国陆地相邻的国家有15个,同中国隔海相望的国家有6个)。从上往下,有朝鲜、日本,接下来是东南亚国家,再下来是印度、缅甸。中国是世界上唯一被核武器包围的国家。中国有安全感吗?如果墨西哥、加拿大要发展核武器,美国拼了老命也不会让它们发展。

Ao anatina toerana jeopolitika tena miavaka amin'ny maro mihitsy i Shina, voahodidina firenena 21 (15 an-tanety, 6 an-dranomasina). Avy any ambony ka hatrany ambany, i Korea Avaratra, Japana, izay arahin'ireo firenen'i Azia Atsinanana, avy eo India sy i Myanmar. I Shina irery no firenena tokana manerana ny tany izay voahodidina fitaovam-piadiana nokleary. Tokony hahatsiaro milamina ve i Shina? Raha toa ka nanapa-kevitra ny hanamboatra fitaovam-piadiana nokleary i Meksika na i Kanada, hanao izay vitany mba hanakanana azy ireo i Etazonia.
Maritime claims in the South China Sea. Image available on Wikipedia [8]

Maritime claims in the South China Sea. Image available on Wikipedia

中国没有国际空间,拿海权来说,中国有海权吗?没有。往东,走不出去,有美、日、澳大利亚、新西兰等国挡着,往印度洋,有印度。印度的唯一假想敌是中国。现在唯一剩下的是南海,但美国等国都对南海感兴趣,如果那里被堵住,中国一点出海口都没有。中国连航空母舰都没有,怎么去投送兵力?怎么去履行国际责任?更不用说国际领导权。

Tsy manana toerana iraisam-pirenena ihany koa i Shina. Manana tanjaka an-dranomasina ve i Shina? Tsia, tsy manana. Any Atsinanana, tsy misy azon'i Shina aleha, voasakan'i Etazonia, Japana, Aostralia, Nouvelle Zélande sy ireo firenena hafa sasany. Mitodika any amin'ny Ranomasimbe Indiana, misy an'i India. I Shina no fahavalo tokana hitan'i India. Tsy misy afa-tsy ny Ranomasimbe Atsimon'i Shina [9] sisa, izay mahaliana an'i Etazonia sy ireo firenena maro hafa. Mahatonga azy tsy hanana na toerana iray hivoahana an-dranomasina aza ny fanakanana an'i Shina ao. Tsy manana sambo mpitondra fiaramanidina akory aza i Shina, noho izany ahoana no ahafahana mieritreritra fa handefa tafika i Shina? Noho izany, ahoana ary no tokony hamitan'i Shina ny adidiny iraisam-pirenena, na hahazo toerana maha-mpitarika ny fianakaviambe iraisam-pirenena?

Ary koa, nanampy teboka lehibe iray [10] tamin'ny lahatsoratro teo aloha i Sara K. , manoratra fa:

Raha tena tian'i Shina ny hanakana ny fitohitohizana maharitr'ilay  ”Teorian'ny Shina Loza Mitatao ”, tokony ajanony ny fanatodihana bala afomanga marobe mankany Taiwan – ary raha afaka niditra tao Taiwan ny PLA, mety ho moramora kokoa ho azy ireo ny hanafika an'i Japana. Raha manambana olona amin'ny fitaovam-piadiana  ianao, ho toy ny loza mitatao no fijery anao.