- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Sary Anehoana ireo Fitsaràna an-tendrony Ara-Kolontsaina sy Ara-poko

Sokajy: Azia Atsinanana, Angletera, Etazonia, Frantsa, India, Italia, Japana, Korea Atsimo, Rosia, Shina, Fiteny, Foko sy Fiaviana, Hehy, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2012)

Nanao lahatsary iray [1] mba hanolorana ireo fitsaràna an-tendrony isan-karazany mikasika ny kolontsaina sy ny foko amin'ny fomba fijery tena Sinoa i Zhang Xu (“Nick in the House”), vlogger (mpanao bilaogy amin'ny alàlan'ny lahatsary) mampihomehy iray avy any Avaratra-Atsinanan'i Shina.

Amin'ny teny Anglisy miaraka amin'ny dikantsoratra Sinoa ny ankamaroan'ny lahatsarin'i Zhang, manafangaro firoky, manondro ny kolontsaina pop, ary mozika lafika mampivarahontsana izay maneho kisarisary mampihomehy maro isan-karazany avy any Japana, Korea, India, Angletera, Frantsa, Italia, Amerika, Rosia ary Shina, samy miezaka ny hanolotra ny kolontsainy na ny fireneny amin'ny vahiny avokoa.

Offended yet? In just four days, Nick's video has received more than 17,000 comments and 500,000 views.

Tohina sahady ve? Nahazo fanehoan-kevitra mihoatra ny 17.000 ary jery mihoatra ny 500.000 ilay lahatsarin'i Nick tao anatin'ny efatra andro monja.