Pôrnôgrafia ao amin'ny Whatsapp ao Brezila: Adihevitra amin'ny fahalalahana ara-pananahan'ny vehivavy

[rohy mankany amin'ny teny paortiogey]

Fran, tovovavy mpianatra 19 taona, mampihatra ny firaisana amin'ny vava miaraka amin'ny olon-tiany izay 22 taona ao an-tanànan'i Goiânia. Nalain'ilay tovolahy horonantsary amin'ny findainy rehefa izy manontany iny hoe “mila ny fitombenako ve ianao? tery tsara izy io” ary manao famantarana amin'ny firaisana any amin'ny lava-pitombenana. Andro vitsivitsy taty aoriana, naparitany tao amin'ny whatsApp ilay horonantsary, “fitehirizana sary vetaveta tsy niniana”, any Brezila, sehatra fiainana manokana an'olondroa izay jerena tsy misy avakavaka.

Niteraka resabe tamin'ny fitsaràna mpanome maoraly, mpihetraketraka sy mpihatsaravelatsihy ity toe-javatra ity, ary mafy ny fiantraikany teto amin'ny aterineto tato ho ato. Olona an-jatony no namoaka sary miaraka amin'ny fihetsika OK sy ny tenirohy #ForçaFran izay lasa sary-sy-soratra ao amin'ny Twitter sy ny Instagram. Ny sasany mampiseho firaisan-kina fa ny sasany kosa maneso, araka ny fanazavan'i Manu Barem,(@manubarem) , mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny tranokala Youpix:

Imagem retirada da página do Facebook “Força Fran”

Sary notsongaina tao amin'ny pejy Facebook “Força Fran”

Il suffit de fouiller dans les messages du tag #forcafran pour se rendre compte que, dans la majorité, ceux qui sont postés par des femmes, révèlent un quelque chose de “comme elle est bête et pas moi”. (jusqu'au jour où vous ferez confiance à un connard ou que vos images seront volées, n'est-ce-pas les filles?). insi, on enregistre un stade nouveau et triste des rebondissements d'un délit en ligne- le machisme qui prend le dessus m(jusqu'au jour où vous ferez confiance à un connard ou que vos images seront volées, n'est-ce-pas les filles?). Ainsi, on enregistre un stade nouveau et triste des rebondissements d'un délit en ligne- le machisme qui prend le dessus même sur les initiatives solidaire smême sur les initiatives solidaires.

Mila misava ny hafatra amin'ny alalan'ny #forcafran fotsiny dia efa mahita fa milaza hoe ” tena venrdana izy fa tsy izaho izany” ny ankamaroan'ny hafatra avoakan'ny vehivavy ao (mandra-pahatonga ny andro itokisanao lehilahy tsy mendrika na angalarana ny sarinao, sa tsy izany ry tovovavy?). Noho izany, idirana ny dingana vaovao sy mampalahelo ipongaran'ny fanitsakitsahana ny lalàna an-tserasera. Mbola manjaka foana ny hetraketra-dehilahy na amin'ny fandraisana an-tanana iraisan-kina aza.

Eny fa na dia i Neymar sy i Daniel Alves izay milalao ao amin'ny klioba espaniola ao Barcelona, na ilay mpihira Leonardo aza dia namoaka sary tao amin'ny aterineto miaraka amin'ny famantarana OK, araka ny fitantaran'ny gazety ao Goiâna. Tamin'ny asabotsy 12 oktobra, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana teo amin'i Brezila sy Korea Atsimo tao Seoul, nitondra sora-baventy miaraka amin'ny teny filamatra “forçan fran” ireo mpanohana. Sary nivezivezy tany amin'ny aterineto, mampiseho ny fiantraikan'io raharaha io.

Ankoatra ny sary sy hafatra nosoratrana tamin'ny fihomehezana mampiasa ny lohateny hoe “KKKK”, izay tena mahazatra any Brezila, nampiasa ny tambajotra sosialy ihany koa ireo mpikatroka aterineto mba hiresahana ilay tranga. Azo natao ihany koa ny namaky fanehoan-kevitra tahaka ity ao amin'ny twitter:

Sonho com o dia em que o homem que vaza o vídeo será chamado de imbecil e a mulher seja reconhecida como vítima, não piranha #forcafran — Luiz Prisco (@luizprisco) October 9, 2013

Nanonofy aho hoe indray andro any antsoina hoe tsisy saina ilay lehilahy namoaka ilay horonantsary ary ilay vehivavy kosa atao hoe niharam-boina fa tsy mpivaro-tena

Diso ilay lehilahy namoaka ireny sary sy horonantsary ireny. Avelao izy handeha any mba hianatra ho lehilahy! #forcafran

#forçafran,o carai. Quem mandou ela ser jacu e sambanga de deixar o homem filmar ela pagando o boquetin.. Sabe que espalha. — Alexandre Couto ™ (@Alexandre_8) -October 9, 2013

#forçafran fitombenako. Iza no niteny azy mba ho vendrana sy kentrina ka hamela lehilahy haka horonantsary azy rehefa izy miaraka aminy? fantatra hivezivezy izany

Mba ho fanohanana an'i Fran, nanoratra tao amin'ny tranokala Na Pimentaria ilay mpanao gazety Nathalia Ziemkiewicz

Je regrette beaucoup tous ces commentaires grotesques et agressifs qui ont circulé sur internet. Ils ont été faits par les mêmes personnes qui croient que, si elle était sortie en mini-jupe dans la rue, elle aurait demandé à être violée. Du genre: tu ne veux pas être exposée, alors tu ne devrais pas te laisser filmer. C'est une logique machiste qui inverse les valeurs. C'est toi qui es une pute – ce n'est pas le mec qui est un salaud. Ma chère, notre société est plongée dans ses propres pudeurs. Tu n'as rien fait de mal. Le plus bête dans toute l'histoire, c'est celui (celle) qui a le premier partagé la vidéo d'un téléphone privé sur un réseau infiniment invisible.

Mampalahelo ahy tokoa ireo fanehoan-kevitra mahery setra izay mandeha amin'ny aterineto. Nataon'ireo olona izay mihevitra fa raha mandeha manao akanjo fohy eny amin'ny arabe izy dia hoe mangataka ny hanolanana azy izany. Tsy te ho aderadera ianao, noho izany tsy tokony hanaiky halaina horonantsary. Lôjikan-dehilahy mpihetraketraka amin'ny vehivavy izay mamadika ny hasina izany. Ianao no mpivarotena, tsy ilay lehilahy no tsy manjary. Ry namako, mitsoraka ao amin'ny fahalala-menatra ny fiaraha-monintsika. Tsy nisy zavatra tsy nety nataonao. Ilay olona nizara ilay raki-tsary tao anatin'ny finday nankany amin'ny tambatra tsy hitamaso no tena adala.

Apoio à Fran Forçafran

Noforonina tao amin'ny facebook ny pejy Apoio Fran [Manohana an'i Fran aho] ary efa manana mpanara-dia maherin'ny 30 000. Ao amin'ny youtube, namoaka ity raharaha ity i Andrea Benetti, iray amin'ireo nanokatra ilay pejy facebook Moça, você é machista [ ry tovovavy, mihetraketraka ianao]. Araka ny heviny, mitsara ny tovovavy amin'ny fomba fampiharany ny firaisany ara-nofo tantara ity.

(il y a) le caractère défini à partir de ce qu'elle fait au lit, comme si elle perdait sa valeur…ou comme si elle ne valait rien, (parce que) quelqu'un a vu et est certain de ce qu'elle fait au lit.

(Misy (ny toetra izay nofaritana tamin'ny alalan'izay nataony eo am-pandriana, toy ny hoe tsy misy vidiny intsony izy, (satria) nisy nahita sy nahafantatra ny zavatra nataony tany am-pandriana.

Nieritreritra io foto-kevitra io tao amin'ny bilaoginy Feminismo pra quê  [Feminisma amin'inona?] i Nadia Lapa, ilay bilaogera sady mpanoratra, bilaogy izay miaraka ao anatin'ny tranokalan'ny Carta Capital:

Fran pratique le sexe. Ce que la majorité d'entre-nous a déjà fait, ou veut vaire, ou continue à vouloir et à faire. C'est quoi son grand péché ? Oui, pratiquer le sexe, avoir du désir et l'exprimer. Simone de Beauvoir parle de la façon dont la société envisage la sexualité féminine: “La civilisation patriarcale a voué la femme à la chasteté ; on reconnaît plus ou moins ouvertement le droit du mâle à assouvir ses désirs sexuels, tandis que la femme est confinée dans le mariage : pour elle, l’acte de chair, s’il n’est pas sanctifié par le code, par le sacrement, est une faute, une chute, une défaite, une faiblesse ; elle se doit de défendre sa vertu, son honneur ; si elle « cède », si elle « tombe », elle suscite le mépris ; tandis que dans le blâme même qu’on inflige à son vainqueur, il entre de l’admiration”.

Manao firaisana ara-nofo i Fran. Izay samy efa nanao izany avokoa ny ankamaroantsika, te hanao izany isika, ary mbola mila sy hanao izany. Inona ny helony lehibe? Eny, manao firaisana ara-nofo, manana fanirina sy maneho izany. Milaza ny fomba fijerin'ny fiaraha-monina ny firaisana ara-nofon'ny vehivavy i Simone de Beauvoir: “Nametraka ny vehivavy ho eo amin'ny fahadiovam-pitondratena ny sivilizasiona patriarika, manaiky ny zon'ny lehilahy hanampatra ny faniriany hanao firaisana ara-nofo raha voafetra ao anaty fanambadiana kosa ny vehivavy: Ho azy, fahadisoana, fahalavoana, faharesena, fahalemena ny asan'ny nofo raha tsy noho ny fahamasinana. Tokony hiaro ny hatsaran-toetrany izy, ny voninahiny; raha “manome” izany, raha “lavo” izy dia manjary manala baraka izany; Raha tezerana izy dia mampitanaka vava kosa ilay nandresy azy.

Taorian'izany ranty malaza izany dia niala tao amin'ilay tranombarotra niasany i Fran ary nitory ilay lehilahy tao amin'ny brigady misahana manokana ny fikarakarana vehivavy ao Goiâna.  Mety higadra 3 volana hatramin'ny heritaona ilay tovolahy noho ny fanalam-baraka raha miditra ao amin'ny rafitry ny lalàna Maria da Penha [ Lalàna mifehy ny herisetra atao amin'ny vehivavy]. Na izany aza, tsy nety nanome ny findainy ny polisy izy ary nangina nandritra ny famotopotorana azy. Nandà ny maha tompon'ilay raki-tsary azy izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.