- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iraka-USA : Raed Jarrar no tompon'ny teny farany

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Iràka, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Ela ny ela ka ho afaka ihany ilay teratany irakiàna Raed Jarrar hiteny manoloana tribonaly amerikàna iray [1] (amin'ny teny anglisy) taorian'ny nametrahany fitarainana manenjika ny TSA (Transportation Security Administration) sy ilay orinasa amerikana misahana fitaterana an'habakabaka JetBlue Airways noho ny resaka fanavakavahana tsy ara-dalàna, niainga fotsiny tamin'ny nitafiany ‘t-shirt’ nisy soratra tamin'ny teny arabo sy ny anaran'ny foko misy azy.