- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fijoroana Kiorda: Akon'ny herisetra, ny maha-izy sy ny taombaovao

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Iràna, Syria, Tiorkia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Martsa 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Inona no mahatonga ny olona, ho olona? Inona no mamaritra ny vondrona iray: feo iraisana, tantara iraisana, kolontsaina, milina fibilaogina [1]? Tahaka ny Iraniana [2], mankalaza ny Taombaovao na Newroz [3] isaky ny volana Martsa ny Kiorda. Ao anatin'ireo fankalazana [4] sy firariantsoa [5] omena, misy ny alahelo sy tanjaka miafina izay mamaritra ny vahoaka Kiorda mandritra ity fety ity. Milaza ny sasany fa ny tantaran'i Kawa [6] no mampiray azy ireo raha mihevitra kosa ny hafa fa hazon-damosin'ny maha izy azy ireo ny tantaran'ny herisetra mihatra amin'ny Kiorda [7]. Ny volana Martsa no volana ho an'ny tsingerintaona maro ho an'ny Kiorda, herisetra ao Syria [8], herisetra ao Iran, [9] fa indrindra indrindra ny horohoro nitranga tany an-tanànan'i Halapja tamin'ny taona 1988 [10]… ary i Halapja no ivon'ny fitrangan'ny herisetra vaovao tamin'ny taona 2006. .

May indray ny Halapja tamin'ny volana martsa [11], saingy tsy noho ireo antony eritreretinao.

Andeha aloha hojerentsika ny lanjan'i Halapja raha tsy mahazatra anao izy. Ao anatin'ny fampielezan-kevitra Anfal nataon”i Saddam tamin'ny volana Martsa 1988, [12]natoby tao an-tanànan'i Halapja ny  [12]fifangaroan'ny fitaovam-piadiana simika/etona samihafa [12], ka nahatonga ny fahafatesan'ireo Kiorda 5000 mahery tao anatin'ny andro vitsivitsy. Tena mahavaky fo ny sarin'izany [13], sy ny fiantraikany ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy mbola tsapa hatramin'izao.

Tamin'ity taona (2006) ity, tamin'ny tsingerintaona faha-18 ny voina, nampiasain'ny mpianatra ny fahatsiarovana ho fotoana ahafahana manohitra ny kolikoly ataon'ny governemantam-paritra Kurdistan [14] sy ny tsy fisian'ny tolotra ara-tsosialy. Nosakanana teo am-bavahady ny mpianatra, ary voatifitra ny mpanao fihetsiketsehana iray [15]. Nanjary mari-pamantarana ny kolikoly ny [16]fahatsiarovana an'i Halapja, toerana handraisana ireo vahiny eo an-toerana saingy toerana voaràra ho an'ireo izay omeny voninahitra … nipoaka ny herisetra vaovao ary may tanteraka ny tsangambato. Ho an'ny Amerikanina mitady zavatra mitovy amin'izany, alao sary an-tsaina hoe rava tao Washington DC ny mozean'ny Fandripahana. Misy ny tsara avy amin'izany, niala tsiny ny KRG noho ny fahafatesana sy antony nahatonga ny loza [17]; afaka manantena fa amin'ny fandravana marika tahaka izany, horaisin'ny governemanta am-pahamatorana amin'izay ny fitakian'ny vahoaka.

Nifangaro ny fanehoan-kevitra momba ny fandoroana ny tsangambato [18], amin'ny maha bilaogera ny tenako, dia mbola tsy hitako izay hamaritana ny fahatsapako izany. Mizara roa ny fihetseham-po manjaka: ireo izay tezitra fa afaka narodan'ireo olona omeny voninahitra mora foana ny tsangambato (raha jerena ny maha-masina azy) [19], na ireo izay nanenina noho ny zava-nitranga saingy mankasitraka ny fandresen'ny hetsi-panoherana izay sarotra vao azo tao anatin'izany toe-javatra izany.  [20]Sorona tena nilaina ve izany? Avelako ho anao ny fanapahan-kevitra.