- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Myanmar: Noafahana ihany i Suu Kyi

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, Politika

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nogadraina nandritra ny 15 taona tao anatin'ny 21 taona izy, kanefa afaka ihany [1] ankehitriny. Ilay mpanohana ny demaokrasia Birmana malaza sady mpitarika ny mpanohitra Aung San Suu Kyi dia navotsotry [2] ny miaramila tohanan'ny governemanta ao Myanmar ny tolakandron'ny Asabotsy, herinandro taorian'ny fifidianana [3] manerana ny firenena izay nandresen'ny kandida mpanohana ny fitondrana.

Afaka nitatitra [4] ny minitra vitsy voalohany tamin'ny famotsorana azy ny The Democratic Voice of Burma . Ity lahatsary ity dia mampiseho an'i Suu Kyi manofahofa tanana amin'ireo mpanohana azy eo anoloan'ny trano fonenany eo amoron'ny farihy.

NY FAMOTSORANA AN'I AUNG SAN SUU KYI [5] tao amin'ny DVBTV English [6] amin'ny Vimeo [7].

Niparitaka ny vaovao ny Alakamisy fa ho afahana i Suu Kyi amin'ity faran'ny herinandro ity amin'ny fiafaran'ny saziny tamin'ny fihazonana azy tsy hivoaka ny an-trano. Notaterina fa nanao sonia ilay taratasy [8] famotsorana azy izy tamin'ny manodidina ny 12 ora atoandro tamin'io andro io. Na dia ny mpikambana ao amin'ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demaokrasia (NLD), ilay antokon'i Suu Kyi, aza dia nanomboka nanadio [9] ny biraon'ny foibe ho fanomanana ny famotsorana azy.  Nisy olona miisa 500 na mihoatra nivory [10] teo anoloan'ny biraon'ny NLD tany Yangon, izay niandry ny famotsorana an'i “Nenitoa Su” ny zoma. Nivaky hoe “ Androany no Andro Famotsorana Azy [11] ” ny sora-baventy teo anoloan'ny foibe.

Mpikambana sy mpanohana ny NLD maherin'ny 100 ihany koa no nanome rà tao amin'ny hopitaly iray tao an-toerana mba hisarihana ny saina tamin'ny famotsorana azy.

Nisalasalana ihany anefa ny fanafahana an'i Suu Kyi raha nanda ny fangatahany farany [12] manohitra ny fanagadrana azy tao an-tranony ny Zoma ny fitsarana ambony Birmana, ka nahatonga ny vahoaka hanana ahiahy momba ny famotsorana azy na tsia.

Nandritra izany fotoana izany, voalaza fa nahazo visa [13] hitsidika tany Myanmar i Kim Aris, zanakalahin'i Aung San Su Kyi.

Raha nafahana ihany anefa i Suu Kyi dia nandrisika ny mpamakiny hametraka soso-kevitra sy hevitra hafa ho an'i Suu Kyi ny tranonkalam-baovao tsy miankina The Irrawaddy.

[14]

Mandray an-tanandroa ny soso-kevitry ny mpamaky momba an'i Aung San Suu Kyi na ny zavatra tokony hataony aorian'ny famotsorana azy ny The Irrawaddy. Ho ampitainay any aminy izany ary ho avoakanay eto ny soso-kevitra notsongaina…

Faly izao tontolo izao rehefa nafahana tamin'ny fanagadrana an-trano i Suu Kyi, izay nahazo ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana . Nampiasa ny tenirohy #aungsansuuky [15] ny mpisera Twitter rehefa nanatevin-daharana ny resadresaka manerantany [16] tamin'ny fankalazana ny fanafahana an'i Suu Kyi.