- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Ireo Mpifidy Tsy Legioma ary Vaovao Hafa Mikasika Ny Fifidianana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

(Fanamarihana! lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2007)

Roa herinandroa sisa mialoha ny fifidianana Rosiana Duma [1]; ary tsy dia lavitra ihany koa ny fifidianana ny ho filoham-pirenena [2]. Hitanao etsy ambany ny topimaso maimaika iray amin'ny fandrakofana ny fifidianana avy amin'ny tontolon'ny blaogy.

Mandika ny fomba fijerin'ireo blaogera Rosiana [3] ny lahatsoratra Fifidianana ao Rosia an'ny blaogy TOL mikasika ny hoe karazana olona manao ahoana no mety ho tomponandraikitra amin'ny fiitarana mahagaga hita eo anivon'ny Antoko Rosia Mikambana [4] izay mpomba an'i Kremlin:

Milaza ry zareo fa efa manana olona 1,7 tapitrisa sahady ity antoko ity. Eo ho eo. Mba milaza izany aza izy ireo, ary angamba marina izany. Iza avy ireo mpikambana ireo? Ireo mpitsentsitra, lany henatra ary vendrana. […]

Mbola ao amin'ny Fifidianana ao Rosia an'ny TOL hatrany, rohy iray mankany amin'ny lahatsary YouTube an'ilay dokambarotra izay ny tanjona dia ny hanome aingam-panahy ny fitambaran'ny mpifidy mba ho any amin'ny toeram-pifidianana amin'ny 2 Desambra. Ito ny teny filamatra tamin'izany:

”Raràn'ny lalàm-panorenana Rosiana ny hifidianan'ireo legioma . Aza mba legioma, mifidiana!”

Manoratra [5] momba ny dokambarotram-pifidianana “heteronormative” sy ny fanentanana  ”mpomba ny natalista” amin'izao fotoana izao ao Moskoa ny Moscow Through Brown Eyes:

Fa tena tsy azoko mihitsy hoe dokambarotra mba hifidianana ao amin'ny vatam-pifidianana ve ity sa ao anatin'ilay harona.

Mandika taratasy iray avy amin'i Mikhail Khodorkovsky [6] ny Blaogy Sean's Russia, izay manefa sazy sivy taona an-tranomaizina ankehitriny noho ny fanaovana hosoka sy fandosirana hetra, taratasy nosoratany ho valinteny ho ana blaogera rosiana nikasa ny hanoratra ”manohitra ny rehetra” tao amin'ny vatom-pifidianany, izay hanimba [7] na tsy miraharaha ilay vato fotsiny tsotra izao:

[…] Izany hoe ireo mifidy ”amin'ny tongony” dia amin'ny lafiny maro, mifidy ho an'ny [Rosia Mikambana] ary hankahery ny kilasin'ny mpitàna birao hankany amin'ny fitondrana jadona sy ny fanebahana ny ”iray tarika.”

Noho izany, tena ilaina ny tsy hifidiananao ireo maneho fanebahana, aleo mifidy ny iray amin'ireo antoko kely. Izany no hetsika mazava sy manokana ataonao: olom-pirenena aho, manan-jo hifidy ary tsy ho andevo, tsy biby fiompy aho.

Mitatitra [8] mikasika ny ezaky ny antoko Rosiana iray hanakana ny filoha Rosiana tsy hanolotra ny tenany ho toy ny kandidà #1 an'ny antoko hafa i Robert Amsterdam, mpisolovava an'i Khodorkovsky, :

Nangatahan'ny Firaisan'ny Hery Havanana ny fitsarana iray mba hanaisotra ny Filoha Vladimir Putin tsy ho ao anatin'ny fifidianana parlemantera amin'ny volana ho avy , tamin'ny filazana fa manome azy tombontsoa tsy rariny ny asany. […]

Mitatitra [9] mikasika ny ”tetikasan'i Putin hampiasa ny fifidianana amin'ny volana manaraka ho toy ny fitsapankevibahoaka momba ny hitohizan'ny fahefany maharitra amin'ny politika rosiana handeha lavitra noho ny fametraham-pialany apetraky ny lalàm-panorenana” i James Joyner avy ao amin'ny Outside the Beltway:

[…] Tsy hoe tsy fahita mihitsy ny fahefana mandidindidy tsy ara-dalàna aorian'ny fametrahana fialàna tsy ho amin'ny fitondrana, ny Shina Kaominista angamba no tena ohatra mibaribary be. Na izany aza, hanamafy ny fiahiahiana maharitra manoloana ny fiampitan'i Rosia mankany amin'ny andrim-panjakana demokratika izany fanambarana izany.

Mino [10] ny Perspectives on the New Russia (Banjina ho an'i Rosia Vaovao) fa tsy mbola misy porofo mazava hatreto hoe hanao veloma an'i Filoha Putin i Rosia:

[…] Porofo manamarina fa mbola azo eritreretina foana ny fepotoana fahatelo raha ny fiakaran'ny isan'ireo fivoriana karakaraina (izay antsoina hoe Putingi) no jerena, izay hanaovan'ny olona tsindry mba hisian'ny fepotoana fahatelo. Ary koa, tsy mbola nisy mpandimby notendrena mihitsy hatreto – fohy ny fotoana ary mihevitra aho fa mbola mitazona ny safidiny halalaka mba hahafahan'izy ireo mamaly manoloana ny zava-mitranga ny ao Kremlin (sy i Putin). […]

Manoratra [11]mikasika ilay tranga ”Puting” ihany koa i Eternal Remont:

Führer Nasionaly? Ry Andriamanitro ô. Tokony mba nisafidy zavatra tsy dia madity loatra isika. […]