- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny malaza amin'ny bilaogy Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Teknolojia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2006)

Ireo farany niseho tamin'ny bilaogy manerantany momba an'i Bangladesh:

* Fiarahamonina: Nanjanona tamin'ny toerana iray tao Londra, UK ny fakàna horonantsary ilay tantara nahazo loka ‘Brick Lane’ novokarin'i Monica Ali noho ny fihetsiketsehana nataon'ny vondrom-piarahamonina Bangladeshita eo an-toerana. Niteraka adihevitra be ny sangan'asan'i Monica Ali ary voampanga tamin'ny fitsaratsaram-poana ny Bangladeshita ao UK. Razib Rashedin miresaka [1] momba izany amin'ny antsipirihany.

Drishtipat mitantara betsaka [2] momba ity lohahevitra ity.

* Politika: Drishtipat mitaraina momba ny fiharatsian'ny fahamendrehan’ [3]ireo mpanao politika sy ny toetoetry ny politika Bangladeshita.

Tasneem Khalil namoaka [4] lahatsoratra mamiratra manadihady ny fifidianana ho avy ao Bangladesh sy ny fitomboan'ny fondamentalisma Islamika (ny antony sy ny voka-dratsiny).

* Teknolojia: Rajputro mitantara  [5]momba ny fiterahan'ny tsena elektronika eo amin'ny finday ao Bangladesh.

* Sivana: Rajputro mitatitra [6] fa nakaton'ny minisiteran'ny vaovao ao Bangladesh tampoka ireo fantsona zanabolana malaza telo ambin'ny folo, anisan'izany ny ESPN, Star Sports, Ten Sports, HBO, Zee TV sns. ka niteraka fahatezerana mafy teo amin'ireo mpijery.

* Fivavahana: Sadiq of inspirations and creative thoughts miresaka [7] momba ny toro-lalana nomen'ny soratra avy amin'ny fivavahana isan-karazany mikasika ny valifaty sy ny valisoa.

* Mozika: Kazi Rubayat Imam mampahafantatra [8] ny famoahana ny raki-kira voalohany an'ny tarika rock Bangladeshita, Arbovirus izay efa nandrasana mafy.

Dipu manana [9] ny tantaran'ny tarika rock Bangladeshita.

* Krizy Afovoany Atsinanana: Krishnokoli miresaka [10] izay tompon'andraikitra tamin'ny ady, ankoatra ny hafa.

Mezba mametraka [11] fanontaniana vitsy momba ny famindrana olona.

* Fizahan-tany: Estonian Kristel Kadak nandefa [12] topi-maso vitsivitsy an-tsoratra sy an-tsary momba an'i Bangladesh .

* Tafatafa: Bilaogera Bangladeshita matihanina Razib Ahmed (SouthAsiaBiz.com sy IndianRaj.com) nohadihadian'ny [13] Blog republic. “Tena ilaina ny toe-tsaina tsara amin'ny bilaogy raha te hiavo-tena sy hitombo ianao” hoy i Razib izay nahasarika olona tao anatin'ny volana vitsivitsy.