- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny malaza ao amin'ny bilaogy Aziatika Atsimo

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, India, Nepal, Pakistana, Sri Lanka, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2005)

Metroblogging Lahore mampiseho ny toe-tsain'ny fifidianana ao an-toerana ao Lahore  [1]ao Pakistana, maneho hevitra momba ny fihetsiky ny Lahoris izay saiky tsy miraharaha. Amin'ny fanohizana ny lohahevitra Lahore, manome rohy mankany amin'ny fanadihadiana amin'ny boky momba ny faritra mena ao an-tanàna [2] antsoina hoe Heera Mandi i pakistani perspective. Ary avy eo, misy ity lahatsoratra momba ny Fetiben'ny sarimihetsika Pakistaney voalohany ao Eoropa [3]natao tany Angletera ity.

Sepia Mutiny namoaka lahatsoratra momba ny famonoan'ny polisy olona tsy manan-tsiny tany Londra [4]. Ao amin'ny Flotsam, manohy ny fizotry ny fandinihana i KM ary manontany hoe “Ity ve no Herinandron'ny Famonoana ny Fahadisoam-panondroana ilay olona [5]?”

Dilip D'Souza namoaka ny fanambarana an-gazety avy amin'ireo fikambanam-behivavy sasany ao Mumbai [6]tao amin'ny bilaoginy. Manazava ny toetoetry ny adihevitra tao amin'ny Antenimiera momba ny Lalànan'ny Dihy Bar ny fanambarana an-gazety. Zoo Station kosa namoaka lahatsoratra momba ny boky vaovao [7]‘The Argumentative Indian’ [7] nosoratan'i Amartya Sen [7], sy ny vokatr'izany amin'ny ezaka teo aloha hanazava ny hevitr'i India amin'ny Tontolo Tandrefana. Lahatsoratra ao amin'ny The Acorn indray miresaka momba ilay lehilahy izay namono an'i Daniel Pearl [8] mpanao gazety.

Avy amin'ny weBlog an'i Imtiaz, hafatra an-tsoratra sy sary mampiseho ny antsipirian'ny handravana an'i Dhaka [9], Bangladesh. Famintinana tantara telo [10] ao amin'ny Deshcalling momba ny firesahana amin'ireo tanora Miozolomana. Sadiq M. Alam indray mampifandray ny tranonkala tokana misy soratra avy amin'ny fivavahana telo [11]. Unheard Voices, kosa manoritra ny adihevitra momba ny fikarohana nataon'i Sarmila Bosentrov [12] momba ny fiampangana ny tafika Pakistaney tamin'ny taona 1971.

Mibilaogy avy any Nepal, ity lahatsoratra ity dia mametraka ny hevitra fa manampy trotraka amin'ny toe-draharahan'ny VIH ny ady ao amin'ny firenena [13]. Nosamborina [14] ireo mpikatroka any Nepal noho ny fananganana teny filamatra mpomba ny demokrasia ao Nepal.

Days Go By manadihady momba ny fiainana amin'ny alina ao Colombo ao Sri Lanka [15], taorian'ny zava-nitranga vao haingana tao an-tanàna. LIRNEasia indray manana lahatsoratra mahafinaritra momba ny fivorian'ny fiarahamonina ao Polonaruwaty [16]mba hiresaka momba ny fepetra noraisina manoloana ny loza vokatry ny fiarovana tohodrano. CSR Asia namoaka tatitra iray manadihady ireo olana mifandraika amin'ny herisetra mihatra amin'ny ankizy any Azia Atsimo [17].