- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ity herinandro ity tao amin'ny bilaogy Palestiniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2006)

Vaovaon'ny tontolon'ny bilaogy….

Tsingerintaona nahaterahan'i Laila el-Haddad‘ izao! Nandany andro feno zavatra tsy nampoizina [1] niaraka tamin'ny zanany lahy Yousuf izy.

Sabbah [2] dia iray amin'ireo mpifaninana farany amin'ny Loka Weblog Bloggies [3] 2005.

Promises of Arabesque Rhapsody [4] nanolo-kevitra ny olom-pirenen'ny JordanPlanet  [5]mba hanangana ny Book Club (Klioba famakiana boky) [6] azy ireo manokana.
Tonga miaraka amin'ny hevitra hafa ihany koa izy, aza mividy kiraro kadradraka! [7]

Inona no resahantsika…

Momba ny fifidianana

Laila el-Haddad of Raising Yousuf [8] mitatitra avy any Gaza [9] momba ny fifidianana solombavambahoaka Palestiniana ho avy, ao anatin'ny andiana lahatsoratra [10] ao amin'ny Guardian Unlimited [11], namariparitra ny toe-java-misy tao Gaza tamin'ny herinandro lasa izay tsy dia nahazatra loatra [12] an'i Laila.

Tamin'ity herinandro ity, nilaza i Laila fa nameno ny tanànan'i Gaza ny afisy ary lasa maherifon'ny firenena ny rehetra raha nidina an-dalambe  kosa ny sasany ary niantsoantso hoe: “Mpangalatra, mpangalatra, mpangalatra ianareo” manondro ny antokon'ny fitondrana.” [13] Nanome antso [14] ho an'ny antoko Fatah [15] (Arabo) mba hitady valinteny i Laila.

Telo andro lasa izay, nilaza vaovao farany i Laila fa miha-mafàna ny toe-draharaha [16] eo amin'ny Hamas sy Fatah. Niresaka bebe kokoa momba ny fipoahana baomba vao haingana [17] tao Tel Aviv izy ary ny vokatr'izany tamin'ny fifidianana. Nanombantombana izy fa tsy latsaky ny 50.000  ny mpihaino ny Hamas [18] raha 20.000 monja ny Gazaita any amin'ny distrika avaratra ny an'ny Fatah (Arabo) [15] .

Raha mandrafitra vondrona tombotsoa lehibe ho an'ireo antoko ara-politka samihafa ireo gadra Palestiniana 7000, tsy raharahiana kosa ireo mpitsoa-ponenana [19] izay efa ho roa ampahatelon'i Gaza, miandry ny hamahana ny olan'izy ireo efa ho 58 taona  [20]ho voavaha ary tsy afaka mifidy kosa ireo izay mihitsoka ao amin'ny toby ivelan'i Israely, tahaka ny vadin'i Laila ohatra, izay tsy afaka mifidy satria manana fahazoan-dàlana hialokaloka. Tsy mahazo alalana hiditra voalohany ao Palestina ireo Palestiniana manana fahazoan-dàlana hialokaloka .

Mikasika ny fifidianana ihany, Daoud Kuttab [21] nanoratra  lahatsoratra [22] tena mampahafantatra ny zava-misy any Palestina.

Zavatra hafa rehetra

Avy amin'ny umkahlil [23], nahangona 4 tapitrisa dolara hatramin'izao ilay milionera be tompon'ireo orinasa fanaovam-bolo sady mpanorina ny “Naman'ny Tafi-piarovana Israely” mba ho tombontsoan'ny “IDF” (tafika miaramila Isrealiana). Na izany aza, mikasa hangataka fanampiana 10 miliara dolara amin'i Etazonia [24] ny lehiben'ny biraon'ny praiminisitra Dov Weisglass ao Israely.

Manana zavatra holazaina amin'ny Sionista ny mpivavaka sy ny laika amin'izy ireo  [25]umkahlil , ary mitantara ny tantaran'i Fatima, tanora tsara tarehy izay niady tamin'ny chimiotherapie nandritra ny fibodoana [26].

Bilaogera FADI [27] ao amin'ny KABOBfest [28] nandefa taratasy [29] ho an'ny gazetin'ny mpianatry Georgetown, ny Hoya ho setrin'ny fanamboamboarana sy lainga avy amin'i Bill Levinson [30] momba ny ISM [31] sy ny PSM izay fikambanana iray ihany, milaza fa ny PSM [32] dia miaro ny herisetra sy ny fampihorohoroana. Nanampy i FADI fa efa nanoratra i Levinson teo aloha fa “tokony handroaka ireo valala tongon-droa ireo ny Israely ary hanambatra ny faritra bodoina rehetra. Ho any amin'ny helo miaraka amin'ireo tsy vanona ireo.”

Avy amin'i KABOBfest ihany, lahatsoratra ny fanaovana ankivy ara-toekarena an'i Israely [33] izay mbola mitohy manerana an'i Eoropa na dia eo aza ny fanerena sy ny fandrahonana  [34]ireo mpikatroka ataon'ny fitantànan'i Etazonia sy ny mety hisian'ny fitsarana any UK tahaka  ireo mpanao fihetsiketsehana ireo [35].

Ny zavatra kely misy dikany…

Here's Tomorrow [36] dia ampahany amin'ny tetikasa fanadihadiana mitohy izay mifantoka amin'ny olan'ireo mpitsoa-ponenana Palestiniana monina ao amin'ny toby fialokalofana lehibe indrindra any Jordania: Tobin'ny mpitsoa-ponenana Baqa’a [37]. Ny fanadihadiana dia horonantsary fampahafantarana mampiseho ny fiainana, ny fanantenana sy ny fijerin'ireo izay nandositra nankany Jordania tamin'ny taona 1967 (taonan'ny Naksa [38]).

Abu Assad [39] sy Abu Sitta [40], lehilahy roa mijaly mafy nampiasa ny hatsarana [41] mba hiady amin'ny (biby) loza be.

Ny herinandro lasa teo, dia nanomboka nanome antoka [42] i Haitham Sabbah fa hangataka alalana amin'ny bilaogy sasantsasany mba hampiditra an'i Palestina ao anatin'ny lisitry ny firenen'izy ireo [43]. Bilaogera roa no namaly tsara sy nanaiky izany hatramin'ny androany [44].

Avy amin'ny KABOBfest [45], misy T-shirt mahafinaritra PFLP (Mandam-bahoaka ho an'ny Fanafahana an'i Palestina) [46] azo jerena eto [47], alaivo ny anao.