Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

29 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 29 Oktobra 2018

Fianianana Global Voices 0.2

Namoaka dika tsy ovaina an'ilay Teny Ierana Global Voices i SJ, izay novaina anarana ho Fianianana Global Voices (dika 0.2).

Anjerimanontolo ao Ife

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) “Sakafo Alahady Atoandro amin'ny Fomban'Ife”, nalain'i Jangbalajugbu-Homeland Stories (rohy maty)

Durbar: Zaria, Nizeria.

Mandritra ny Durbar, manao matso ireo mpitaingina soavaly ary miroso mirongo sabatra sy basy ho fahatsiarovana ny vanimpotoana fahiny izay nampahery ireo Emir rehetra.

Olona an'arivony no tsy manan-kialofana noho ny fikaohan'ny tany amin'ny morondrano ao Bangladesh

Nitelina tranobe misy rihana telo tao Naria upazila ao Shariapur ny renirano Padma. Nitarika fiovana lehibe ny fikaohan'ny riaka an'io renirano io ny tany; fianakaviana 4.000 no tsy hanan-kialofana ao anatin'ny volana vitsivitsy.

Japana: Noana Ao Amin'ny Tany Tondra-dronono

Nanainga ny blaogera japoney maro hieritreritra mikasika ny fiantraikan'ny politikan'ny fiahiana ara-tsosialy ao amin'ny fireneny ny tantara vao haingana mikasika ny lehilahy iray matin'ny hanoanana [Ja] noho ny tsy nahazoany ny fanampiana ara-tsosialy, izay lasa nalaza noho ny niraketany tao anaty diary ny andro farany niainany. Vakio ato ny sasany...

Kôsta Rika: Nosalorana ny lokan'ny kolontsaina nasionaly ho an'ny asa fanaovan-gazety ilay bilaogera 

Sambany teo amin'ny Lokan'ny Kolontsaina Nasionaly tany Kôsta Rika no nomem-boninahitra ny fampahalalam-baovao nomerika rehefa nomem-boninahitra noho ny asa fanaovan-gazetiny tao amin'ny bilaoginy Fusil de Chispas i Cristian Cambronero.

Burkina Faso : Fahatsiarovana ny faha-10 taona namonoana an’i Norbert Zongo

Folo taona lasa izay tamin’ny faha 13 ny volana Desambra 1998, no hita tao anaty fiara iray main’ny afo teo amin’ny lalan’i Sapouy, eo ho eo amin’ny 100 km miala ny renivohitra ny vata mangatsiakan’ilay mpanao gazety Norbert Zongo sy ireo olona telo niaraka taminy izay rotidrotiky ny bala

Pakistan: Sazin'ny bilaogy

Ny "sazy iombonana" dia lamaody fialantsiny vaovao ampiasain'ireo governemanta eran-tany. Na amin'ny fandraràna ny blaogy izany na manapoaka baomba amin'ireo olon-tsotra tsy manan-tsiny, ny "sazy iombonana" dia toa fitaovana "safidy" amin'ireo fitaovana eo amin'ny fahefana.

Ity herinandro ity tao amin'ny bilaogy Palestiniana

Tsingerintaona nahaterahan'i Laila el-Haddad' izao! Nandany andro feno zavatra tsy nampoizina niaraka tamin'ny zanany lahy Yousuf izy.

Guinée-Conakry: Mijoro tsy milefitra manoloana filoha tia fahefana tafahoatra

Zon'olombelona an-tsary

Manomboka mahazo vahana ao Afrika Andrefana ny fivoarana teknolojika ahafahan'ny olontsotra mandrakitra lahatsary sy mametraka lahatsary ety anaty aterineto...Sarobidy ny fijoroana vavolombelona anaty lahatsary tahaka izany satria sarotra tadiavina ny feon'ireo olompirenena