- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Toko Farany Taminà Raharaha Fampijaliana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2007)

Taorian'ny volana maro niandrasana sy ireo sahoan-dresaka, azo ihany ny rariny tao anatina tantara Ejiptiana izay nisy mpamily iray voalely am-body sy nampijalian'ny polisy – izay naka an-dahatsary ny heloka bevavan'izy ireo mba hanalàna baraka kokoa ny olona nampijaliany. (Fanamarihana avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: miala tsiny amin'izay tohina amin'ilay teny somary mivantambantana etsy ambony fa tsy hita izay teny malagasy mahalaza azy manokana, ka dia ny famaritana avy hatrany no natolotra anao mpamaky)

Ny alina nialohan'ilay fitsarana farany tamin'ilay ”Fampijaliana”, nanoratra i Hossam el Hamalawy [1] :

Ilay fitsarana ny Kapiteny Islam Nabih sy ny Kaporaly Reda Fathi – ireo mahita fahafinaretana anaty fijalian'ny hafa, avy ao amin'ny Biraon'ny Polisin'i Boulaq el-Dakrour nampijaly, nilely am-body ilay mpamily Emad Kabeer ary naka an-dahatsary ilay fanararaotana mba hanome vàhana ilay fanalam-baraka – dia heverina fa ho tonga amin'ny toko farany amin'ny didim-pitsarana izay havoaka amin'ity Alatsinainy 5 Novambra ity, ao Dar el-Qadaa el-Aaly, 9 maraina…

Farany, androany, nanambara ny vaovao tsara i Sand Monkey [2] tamin'ny filazana fa:

Nitranga androany ny Tsy Afaka Hisy. Azo ny rariny! Nahazo ny saziny androany ilay manamboninahitry ny Polisy nilely am-body an'i Emad El Kebeer tamin'ny fanatsofoana taon-kifafa tao amin'ny lava-bodiny ary naka an-dahatsary izany tamin'ny findainy: 3 taona any amin'ny fonja Ejiptiana. Raha ny farany tadidiko aloha, dia vao sambany izao. Polisy iray notazonina ho tomponandraikitra.

Ary nanoratra lahatsoratra mazavazava kokoa taorian'ilay fitsarana i Abna’a Masr [3], nanampy hoe.

أصدرت محكمة جنايات الجيزة حكمها العادل في قضية تعذيب عماد الكبير ، و أدان الحكم الذي تلاه المستشار سمير أبو المعاطي الضابط إسلام نبيه عبد السلام و أمين الشرطة رضا فتحي بجريمة هتك عرض عماد الكبير بعصا وتصوير الواقعة في قسم شرطة بولاق الدكرور قبل عامين، و حكم بثلاث سنوات سجناً مع الشغل لكل منهما بعد ثبوت صحة الأدلة والشهادات التي قدمها دفاع عماد الكبي

Namoaka ny didim-pitsarany ny Fitsarana Heloka Bevava ao Giza momba ilay raharaha fampijaliana an'i Emad Al Khabeer. Niampanga ilay polisy Islam Nabih Abdel-Salam sy ilay polisy Reda Fathi tamin'ny heloka bevava nileleny am-body an'i Emad tamin'ny taon-kifafa sy ny nandraketany an-dahatsary izany tao amin'ny biraon'ny polisin'i Bulak El Dakror, roa taona lasa izay. Fanampin'izany, nosaziana  tsirairay handany telo taona an-tranomaizina i Islam sy i Reda rehefa avy nanaporofo ny fahamarinan'ireo porofo sy fijoroana vavolombelona natolotry ny mpiaro an'i Emad Al Kabeer.

Mandritra izany fotoana izany, tsapan [4]‘i Zeinobia fa fohy loatra ilay sazy. Manoratra izy:

Ooooh ! eny, Telo taona monja!!!!
Fa dia fitsipika mandidy roa lela mihitsy ity, miaraka amin'ny haja rehetra atolotro, eny, zavatra goavana izany ary fandresena ho an'ireo rehetra nino ny rariny ho an'i ”Emad” fa voampanga ary hiditra am-ponja i ”Nabih”, fa mbola tena sazy fohy loatra izany, telo taona monja !!!
Tsy ao anatin'ilay fitsipika no loza mahatsiravina fa ao anatin'ny fanamarinana nataon'ny Mpitsara momba ilay fitsipika izay  ”Noho ny fahatanoran'ilay voampanga ”27 taona i Nabih” ary noho ny fahaampian'ny traikefany, nanapa-kevitra ny hanafonja azy ireo mandritra ny telo taona monja izahay !!!!!!!!!!!!”
Tanora taona ary tsy ampy kely !!!

Miaraka amin'ny haja rehetra atolotro, mbola tanora noho izaho i ”Emad” fony  noararaotina, maty taorian'ny fijerena izany rakitsary izany ny rain'i Emad, traikefa kely, miala tsiny aho fa raharaha fampijaliana ity, mila fijeren'ny manmpahaizana manokana ve ny fampijaliana mba ho lava kokoa ny sazy fa tsy 3 taona  !!!???

Manampy [5] i The Arabist:

Vaovao tsara izany ho ana raharaha somary maharikoriko — tadidio fa, tamin'ny volana Janoary lasa teo, voasazy [6] telo taona an-tranomaizina i al-Kabir, mpamily fiara fitaterana, noho ny ”fandavany fisamborana.”  Norakofanay be ho toy ny ampahany amin'ilay raharaha manala baraka “al-Adly videogate” [7]izany raharaha izany, rehefa nizara lahatsary maro mikasika ny fampijaliana any anatin'ireo biraon'ny polisy Ejiptiana ny blaogera maro.